airtel

Sport

06-juil-2023

Sport

Lalaina Nomenjanahary Nahazo diplaoma momba ny fitantanana ara-panatanjahantena

Sample post image

Taorian'ny fianarana 2 taona dia am-pifaliana sy fankasitrahana no anambarako fa nahazo ny diplaoma momba ny

06-juil-2023

fitantanana ara-panatanjahantena na DUGOS tao amin'ny Oniversiten'i Lyon 1 ny tenako, hoy ny kintan’ny baolina kitra malagasy teo aloha, Lalaina Nomenjanahary na Bolida, teo amin’ny pejin’ny tambazotran-tseraserany omaly. Sarotra ny niverina nianatra taorian'ny 11 taona naha mpilalao baolina kitra, hoy izy, fa rehefa miezaka dia tratra ny tanjona. Misaotra ny fianakaviako ary indrindra ny vadiko tamin'ny fanohanana tsy misy fetra. Ho an'i Jesosy irery ny voninahitra, hoy hatrany ity lohalaharan’ny Barea teo aloha namiratra tany amin’ny CAN 2019 ity.
J. Mirija
Légende : Bolida sy ny vady aman-janany nifaly nanoloana ny oniversiten’i Lyon 1
 

Dans la même rubrique

17-août-2023

Roa herinandro sisa dia hanomboka ny Lalaon'ny Nosy hotontosaina eto amintsika. Andiany faha 11 izay isan'ny

Card image cap
17-août-2023

Vao 23 taona monja i Miary Zo Rakotondramboa dia efa feno ny andraikitra sahaniny.

Card image cap