airtel

Sport

07-août-2023

Sport

Lalaon’ny ASIEF Nandresy ny faritra Antsinanana ny governemanta

Sample post image

Nisy ny lalao ara-pirahalahiana nifanandrinan'ireo mpikambana ao amin'ny Governemanta tarihin'ny Praiminisitra Ntsay Christian

07-août-2023

sy ny tompon'andraikitra eo anivon'ny Faritra Atsinanana, nandritra ny lalaon'ny ASIEF, tao amin'ny kianja mitafo Stadium Soavita Toamasina. Ny taranja basket-ball sy volley-ball no nifanandrinan'ny roa tonta ka nandrombahan'ny Governemanta ny fandresena: 30-25 ho an'ny basket-ball ary 2/1 ho an'ny volley-ball. Fotoana ihany koa ny io omaly io, nanoloran'Andriamatoa Praiminisitra omby velona roa sy vary iray taonina ho an'ny ASIEF, hoy ny fampitam-baovao. Hita ho velovelom-bolo sy tafiditra tsara tao anatin’ny ambiansy ny mpikamban’ny governemanta, eny fa na ny Minisitry ny angovo sy ny akoran’afo Atoa Solo Andriamanampisoa aza toa adinodinony hatramin’ny fahataperan’ilay fe-potoana 3 herinandro nomen’ny Filoham-pirenena hanafoanany ny delestazy!
Toky R
 

Dans la même rubrique

17-août-2023

Roa herinandro sisa dia hanomboka ny Lalaon'ny Nosy hotontosaina eto amintsika. Andiany faha 11 izay isan'ny

Card image cap
17-août-2023

Vao 23 taona monja i Miary Zo Rakotondramboa dia efa feno ny andraikitra sahaniny.

Card image cap