airtel

Sport

01-août-2023

Sport

Lalaon’ny Frankofonia Hiatrika ¼-dàlana ny Ankoay vehivavy

Sample post image

Voatery nanaiky ho resy tsy fidiny na hoe “par forfait” ny Vormaherin’i Carthage atsy Tonizia eo amin’ny taranja baskety,

01-août-2023

sokajy vehivavy, rehefa tsy nahita akanjo hafa loko hifanandrinana amin’ny ekipam-pirenena Malagasy na Ankoay ny alahady teo. Lalaon’ny frankofonia 2023 atao atsy Kinshasha, Kongo, eto no resaka. Anjaran-dry zareo Tonizianina, raha ny fitsipi-dalao no tokony hisolo fanamiana na “maillot” satria mandray lalao, raha ny fanazavana, saingy tsy nahita solony ka dia voatery nanaiky ho resintsika malagasy tamin’ny isa 20 ka nahatonga ny Ankoay vehivavy ho eo amin’ny laharana faharoa ao amin’ny vondrona C misy azy. Efa fanamiana fanaovana fanazaran-tena moa no nanaovan’ireto mpilalao tonizianina ireto nandritry ny lalao naha resy azy ireo tamin’ny isa 52-61 nanoloana an’i Kameronina. Hiatrika ny ampahefa-dalana, araka izany, ny Ankoay vehivavy ho amin’ity talata 01 aogositra 2023 ity amin’ny 8ora alina ora Malagasy, ka inoana sy antenaina fa mba tena handresy amin’ny alalan’ny fahafaha-mampiseho ny tena fahaizany amin’izay mba handiso ny fiheveran’ireo mpanenjika azy ho natosiky ny vintana. Alefa Ankoay! Ankoay ny anay!
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

17-août-2023

Roa herinandro sisa dia hanomboka ny Lalaon'ny Nosy hotontosaina eto amintsika. Andiany faha 11 izay isan'ny

Card image cap
17-août-2023

Vao 23 taona monja i Miary Zo Rakotondramboa dia efa feno ny andraikitra sahaniny.

Card image cap