Resiny tamin'ny isa 69 noho 63 ny Liban tamin'ny lalao fiadian-toerana. Azo lazaina ho niady dia niady ny lalao teo amin’ny ampahefa-potoana voalohany sy faharoa fa hitantsika tanteraka kosa avy eo ny ninanana azy ireo nandritry ny ampahefa-potoana faha 3 sy faha 4, raha ny angom-baovao natao hatrany. I Christiane Jaofera kosa no voafidy mpilalao mendrika indrindra raha nahafaty 23 isa Marihina fa ny Senegal no nibata ny amboara raha nandresy ny Cameroun. Samy nandresy ny Ankoay moa ireto firenena ireto tany amin'ny fifanintsanana. Raha ny zavatra nasehon'i Muriel sy Christiane tany Kinshasa izay aloha dia azo antoka indray ny medaly volamena amin'ny Lalaon'ny Nosy ho avy io.
Clément RABARY
Roa herinandro sisa dia hanomboka ny Lalaon'ny Nosy hotontosaina eto amintsika. Andiany faha 11 izay isan'ny
Vao 23 taona monja i Miary Zo Rakotondramboa dia efa feno ny andraikitra sahaniny.