airtel

Sport

03-août-2023

Sport

Lalaon’ny Frankofonia Mitaraina ho ratsy karakara ireo Atleta Malagasy

Sample post image

In-telo niova trano izahay hatramin’ny nahatongavanay taty Kongo, hoy ny solontenan’ireo alteta malagasy miatrika ny lalaon’ny frankofonia andiany faha 9 atsy Kinshasha,

03-août-2023

Kongo, amin’izao fotoana izao (TTF: omaly tolakandro) hatramin’ny fotoana nahatongavanay taty. Nitaraina mafy ho ratsy karakara ireto atleta ireto. Matetika izany dia nitranga misasak’alina ka nahatonga ny ankamaroan’ireo atleta ho tsy ampy torimaso ary nampihena ny herijikan’izy ireo miatrika lalao, hoy ny fanazavana. Hita izany nandritr’ireo manasa-dalana, indrindra, tamin’ny taranja hazakazaka. Tena ratsy sakafo izahay ary tsy afa-po tamin’izany mihitsy. Very lanja 2 kilao izao ny mpikatroka tolona ary dia resy tamin’ny lalao famaranana satria tsy ampy hery intsony vokatry ny zava-misy. Tsy nihinan-kanina maraina akory tamin’ny fotoam-pamaranana. Hiatrika manasa-dalana amin’i Kongo izao ny ekipam-pirenena malagasy vehivavy eo amin’ny taranja basikety na Ankoay. Tamin’ny 8 ora maraina izahay no nisakafo farany. Mitaraina izahay, noho izany, amin’ny maha atleta anay mba hisitraka ny tokony ho anjaranay, hoy hatrany izy ireo.
(sary fanehoana)
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

17-août-2023

Roa herinandro sisa dia hanomboka ny Lalaon'ny Nosy hotontosaina eto amintsika. Andiany faha 11 izay isan'ny

Card image cap
17-août-2023

Vao 23 taona monja i Miary Zo Rakotondramboa dia efa feno ny andraikitra sahaniny.

Card image cap