Raha 7 no isan’ny mpifaninana tamin’ny andiany voalohany, ny taona 2021 dia lasa 5 izany ny faharoa ary ankehitriny dia lasa 25 eo, hoy ny nahazo ny andiany voalohany, Fara Ratsisetraina. Reny manana ny maha izy azy daholo ireo, hoy izy. Ny famoronana, fahalalana ankapobeny, fahaiza-miainan’ny mpifaninana taorian’ny famakafakana ara-piarahamonina natao taminy no isan’ny hitsarana ireo mpifaninana. Ny tena moa tsy isan’ny mpitsara sy mpifantina fa ny fantatra fotsiny dia miisa 300 teo no nofantenina ary dia ireo 25 ireo izany no hamarana azy amin’ny fetin’ny reny amin’ny volana jona. Ho tsaraina indrindra eo izany ny fahaizan-drizareo miatrika hanamarina ny maha reny mendrika azy, hoy hatrany ny fanazavana.
J. Mirija
Légende : Ireo tompondaka 2021 sy 2022
Roa herinandro sisa dia hanomboka ny Lalaon'ny Nosy hotontosaina eto amintsika. Andiany faha 11 izay isan'ny
Vao 23 taona monja i Miary Zo Rakotondramboa dia efa feno ny andraikitra sahaniny.