Tsy nisy dinika fa dia ny isa tamin'ny lalao mandroso ihany no miverina. Ny mpamono baolina no nipva satria raha i Veve (24), Dax (68) ary Feli tamin'ny alalan'ny penalty (88). Ny Ajesaia kosa dia mbola i Feno ihany no namono ny baolina tokana. Noporofoin'ity farany fa mendrika azy ny handrafitra ny ekipam-pirenena saingy ny mampalahelo dia tsy natokisan'i Roro Rakotondrabe izy fa naleony namerina an'i Hakim Abdallah izay nanao ny lalao fahafito teo anivon'ny Barea nefa mbola tsy nahafaty na dia baolina iray aza. Mbola tsy fantatra hatreto ny hihaona amin'ny Fosa satria mbola nisaraka tsy nisy nitoko toy ny tamin'ny lalao mandroso ny COSFA sy ny Fanalamanga. Hisy ny lalao fahatelo izany izay hotontosaina rahampitso.
Clément RABARY
Roa herinandro sisa dia hanomboka ny Lalaon'ny Nosy hotontosaina eto amintsika. Andiany faha 11 izay isan'ny
Vao 23 taona monja i Miary Zo Rakotondramboa dia efa feno ny andraikitra sahaniny.