airtel

Sport

26-mai-2023

Sport

Pro League Playoffs Mbola tsy very fanantenana ny Disciples

Sample post image

Mila manono baolina roa mba ho sahala dia hita avy ny tohiny. Izay no finoan',ireo mpanohana ny Disciples FC mipetraka any Betafo.

26-mai-2023

Tsy kivy izahay hoy Onja Harilanto Raharimanana izay mpilalaon'ny Elatr'i Betafo fahiny ary isan'ireo manetsiketsika ny baolina kitra any an-toarena. Vitan'ny Barcelone ohatra ny remontada baolina dimy ka manino no tsy ho vita na dia hoe Fosa aza no hifanandrianina ny alahady izao ao amin'ny kianja Alexandre Rabemananjara Fantatra ho ihany i Onja Harilanto Raharimanana fa manana olona ny Fosa ao Mahajanga fa mba hiezaka ny ho tonga maro koa ny Disciples. Misy ireo mpanahana aty Antananarivo fa misy koa ireo mpianatra eny Ankatso mivondrona ao amin'ny BAFIAM ( Betafo Atambatry ny Fianarana Ambony) ary mbola koa ireo miala avy any Betafo androany. Fitiavana daholo izany ary na ho sarotra aza ny miandry ny Disciples dia efa fandresena lehibe izao fihetsika asehon'ireo mpanohana.

Clément RABARY


 

Dans la même rubrique

17-août-2023

Roa herinandro sisa dia hanomboka ny Lalaon'ny Nosy hotontosaina eto amintsika. Andiany faha 11 izay isan'ny

Card image cap
17-août-2023

Vao 23 taona monja i Miary Zo Rakotondramboa dia efa feno ny andraikitra sahaniny.

Card image cap