airtel

Sport

07-août-2023

Sport

Taranja Beatbox Tompondaka eran-tany i Malagasy

Sample post image

Voahosotra ho tompondaka eran-tany eo amin’ny taranja Beatbox na irony talenta famoahana mozika amin’ny alalan’ny vava sy mpiotifeo irony fotsiny ihany ilay mpanakanto malagasy, Do-B.

07-août-2023

Araka izany dia teo amin’ny sokajy “scratch vocal” ny lehilahy no nifaninana ary dia nataon’ny teli-moka tsy nisy nahefa ny azy ny talentan’ireo nifaninana taminy rehetra tao amin’ny kianjan’i Huxleys Neue Welt tao Berlin, Alemanina tao. Ilay frantsay O’Slim no nanao famaranana tamin’ny lehilahy. Hany tokana nisolo tena ny faritra atsimon’i Afrika ny malagasy teto ary dia isak’izay niaka-tsehatra dia notorahan’ny mpijery ny tehaka nirefodrefotra hatrany. Tsy nisy izay tsy nampandihy ny maro an’isa ny gadona nentiny tamin’ny alalan’ny vavany sy ny mpiotifeony na “micro” monja. Nony nandray ny amboara moa izy dia mbola nitoraka fisaorana ho an’ireo mpanotrona rehetra tamin’ny alalan’ny “scratch” nampandihy hatrany ary ny teny hoe "thank you so much" na misaotra be dia be no namaranany izany, hany ka na ny nanoratra ity lahatsoratra ity aza dia mbola hila hampandihy hatrany. Nitombo indray ny reharehan’i Madagasikara ka tsy hay ny tsy ho faly.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

17-août-2023

Roa herinandro sisa dia hanomboka ny Lalaon'ny Nosy hotontosaina eto amintsika. Andiany faha 11 izay isan'ny

Card image cap
17-août-2023

Vao 23 taona monja i Miary Zo Rakotondramboa dia efa feno ny andraikitra sahaniny.

Card image cap