Toliara, Ambanja, Ambovombe, Antsirabe, Fenoarivo atsinanana, Manakara, Tsiroanomandidy. Hisantatra ny eto Antananarivo ny fihaonana eo amin’ny USCAFOOT izay efa mifaninana anaty Pro league sy ny FC Rouge, izay avy eto Analamanga ihany koa. Hamarana izay 1/16n-dalana izay kosa ny fihaonana eo amin’ny Ajesaia, izay mpifaninana anaty Pro league hatrany, amin’ny US Pro avy eto Analamanga. Ao Tsiroanomandidy indray ity lalao farany ity no atao ny 30 jona izao, raha ny fandaharam-potoana voaray avy eo anivon’ny federasionina malagasin’ny baolina kitra na FMF hatrany. Mbola saika hita ao anaty hazakazaka avokoa ireo heverina fa klioba Malagasy goavana toy ny Elgeco plus, Jet Kintana, Fosa Juniors.
J. Mirija
Roa herinandro sisa dia hanomboka ny Lalaon'ny Nosy hotontosaina eto amintsika. Andiany faha 11 izay isan'ny
Vao 23 taona monja i Miary Zo Rakotondramboa dia efa feno ny andraikitra sahaniny.