airtel

Sport

08-juin-2023

Sport

Tennis- Amboara Billie Jean King Nandresy an’i Sénégal i Madagasikara

Sample post image

Mbola mitohy ny fampisehoana ataon'ireo tovovavy mpilalao tennis any Kigali mandritry ny fiadiana ny Amboara Billie Jean King Izay Sokajy faha IV.

08-juin-2023

Omaly ary dia i Sénégal indray no nataon'ny Malagasy nitondra faisana. Fandresena telo no azon'ny ankizy. I Mitia Voavy dia nampiondrika an'i Sokhna . Diatta (6/1 ; 6/1) Mialy Ranaivo kosa dia nanilika an'i Marietou André (6/1 ; 6/1). Teo amin'ny olon-droa miaraka dia nataon'i Narindra Ranaivo sy Harena Voaviandraina tsy nisotro rano i Lea Crosetti sy Sakhna Diatta (6/1 ; 6/1). Mihaona amin'ny Congo anio ny ekipa Malagasy ary hifandona amin'ny RDC ny zoma. Raha maharesy foana ny Malagasy dia manao famaranana amin'izay mandresy ny voalohany ao amin'ny tarika A. Raha mbola mandresy dia miakatra ao amin'ny Vondrona III amin'ny taom-pilalaovana manaraka.

Clément RABARY

 

Dans la même rubrique

17-août-2023

Roa herinandro sisa dia hanomboka ny Lalaon'ny Nosy hotontosaina eto amintsika. Andiany faha 11 izay isan'ny

Card image cap
17-août-2023

Vao 23 taona monja i Miary Zo Rakotondramboa dia efa feno ny andraikitra sahaniny.

Card image cap