airtel

Toekarena

03-juil-2023

Toekarena

ARAM MINES Hampiranty ireo karazana vato misy eto Madagasikara

Sample post image

Mbola betsaka ireo olona tsy mahalala ny karazam-bato misy eto Madagasikara.

03-juil-2023

Mahatratra 2.500 eo ho eo ireo vato mineraly voajanahary misy sy efa fantatra izay hohampahafantarina ny besinimaro. Etsy amin’ny lapan’ny tanana Analakely no hamaovana ny fampirantiana momba izany manomboka rahampitso Talata 04 Jolay, haharitra 3 andro. Hiarahana miasa amin’ny fikambanana Perfect Madagascar ny hetsika. Hisy mandritra izany ny fizarana sy fampahafantarana ary fampisehoana ireo karazam-bato misy eto Madagasikara na ny « collection des minéraux naturels de Madagascar ». Ireo mpikaroka sy manam-pahaizana malagasy ao anivon'ny ARAM Mines no hamavahana sy hanazava ny mikasika izany. Tanjona amin’ity hetsika ity moa ny mba hahafahana mizara ireo traikefa sy fahalalana manodidina ireo karazana vato sarobidy sy manan-danja eto amintsika mba tsy ho tompon-trano mihono ny rehetra , indrindra fa ireo tanora Malagasy izay misehatra amin'ny fandratoana fahalalana sy fahaizana momba ny '' Minéralogie et Gemmologie''. Pati Legende : Ireo tompon’andraikitra nampahafantatra ny hetsika
 

Dans la même rubrique

17-août-2023

Faritra iray ao anatin’ny faritanin’i Fianarantsoa ny Faritr’Amoron’i Mania. Manana velarantany 16.141 km² izy, distrika miisa 5, kaominina 55, fokontany miisa 788,

Card image cap