Nanome voninahitra izany fotoana izany ny Minisitry ny Toekarena sy ny fitantanam-bola, Rabarinirinarison Rindra Hasimbelo, ny Talen'ny Kabinetra, sy ireo lehibe isan-tsokajiny maro eto anivon'ny Minisiteran'ny Toekarena sy ny fitantanam-bola. Nandritra izany no nanambaran’io minisitra io, fa « ny fahaiza-mitantana, ny fomba fiasa mifanaraka amin’ny toetr’andro, ny fahavononana hiady amin’ny kolikoly, ny asam-panjakana manatona vahoaka : ireo no tambim-pahatokisana andraisan’ny mpiray tanindrazana amintsika ary fanoitra hampandroso ny toekarena." Niarahaba ny Tahirimbolam-panjakana sady nirary azy hilofo hatrany hitohy hahatratra ny vina napetrany : "Tahirimbolam-panjakana mivoatra, miasa tsara ao anatin'ny mangarahara, ary lavitry ny kolikoly" ny Minisitra. Nandritra io no nanolorana mari-boninahim-pirenena ho an'ny mpiasa sasany teo anivon’ny Tahirimbolam-panjakana ka, 1 Grand Officier, 1 Commandeur, ary 180 Officiers sy Chevaliers de l'Ordre National, araka ny fampahafantarana navoakan’ny Minisiteran’ny toekarena sy ny fitantanam-bola.
Toky R
Faritra iray ao anatin’ny faritanin’i Fianarantsoa ny Faritr’Amoron’i Mania. Manana velarantany 16.141 km² izy, distrika miisa 5, kaominina 55, fokontany miisa 788,