airtel

Actualités

18-août-2023

Actualités

Hajo Andrianainarivelo “Araho drafitra nasionaly ny lavanila!”

Sample post image

Ataovy laharam-pahamehana, araho drafitra nasionaly ny sehatry ny lavanila, noho izany harem-pirenena, hoy ny antoko politika Malagasy Miara-miainga na MMM!

18-août-2023

Ny tsy fanatanterahana izany hatramin'izay sy ny tsy fihainoana ny teny ifotony no mahatonga ity sehatra ity misedra izao olana goavana izao, hoy ny filoha nasionaliny, Hajo Andrianainarivelo. Ny fampiharana ny fitsinjaram-pahefana, izay ahafahana mamaha ity olana ity sy ny seha-pihariana maro eto Madagasikara, araka ny nivoitra nandritra ny fivoriana narahina ady hevitra niarahana tamin'ny MMM sy ireo mponina tao Soanierana Ivongo omaly. Tsy mbola voavahan'ny fanjakana mandrakak'androany ny olana mahazo ireo tantsaha sy mpandraharaha misehatra eo amin'ny lavanila. Anton'izany ny tsy fananan'ny fanjakana vina mazava sy politika nasionaly momba ity sehatra izay isan'ny iankinan'ny toekarem-pirenena ity. Eto Soanierana Ivongo, faritr’Analanjirofo, anatin'ny fahasahiranana tanteraka ireo raiamandreny amin'izao ankatoky ny fidiran'ny mpianatra izao. Isan'ny tarainan'ireo vahoaka nanatrika ny fivoriana narahina ady hevitra niarahana tamin'ny MMM teto Soanierana Ivongo ity fitotongan'ny seha-pihariana lavanilina ity. Olana, izay azo atao ny nisoroka azy raha mpitondra nanana vina nijery lavitra sy nanana politika mazava momba ity sehtra ity, hoy ny kandida ho filoham-pirenena Hajo Andrianainarivelo. Maro amin'ireo ray aman-dreny no mety tsy ahavita ampiana-janaka amin'ity taom-pianarana manaraka ity noho ny tsy fisian'ny hoenti-manana. Eo ihany koa ireo kivy, noho ny tsy fahitana asa. Ilaina ihany koa ny fihainoana ireo eny ifotony izay manana ny hevitra mifanaraka amin'ny filàn'izy ireo entina hanatsarana ny kalitaon'ny fampianarana. Mifanindran-dalana amin'izay ny fampiofanana arak'asa, izay hamorain'ny fanjakana, ahafahan'ireo tanora miditra eo amin'ny sehatry ny asa avy hatrany araka ny fari-pahaizany sy ny fanomezam-pahsoavany, hoy hatrany i Hajo Andrianainarivelo raha nanamafy fa mbola hanohy fitetezam-paritra amin’ny distrika hafa.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

18-août-2023

Ny 10 aogositra, herinandro katroka omaly no nilazan’ny Minisitry ny angovo sy ny akoran’afo Atoa Solo Andriamanampisoa fa tsy hisy intsony ny delestazy avy amin’ny fitsitsiana.

Card image cap
18-août-2023

Loharanon’aretina ny loto, mety hitarika hatramin’ny fahafatesana.Marika ny tsy fanajana lalàna sy fitsipika ihany koa ny fanipazana sy fanariana fako etsy sy eroa.

Card image cap
18-août-2023

Notorian’ny Lehiben’ny firaketan-draharahan’ny Fitsarana Rtoa Ellah Inham Herinatrehana sy ny mpitsara iray ho nanao fanalam-baraka,

Card image cap
18-août-2023

Tafiditra tanteraka ao anatin’ny vanim-potoanan’ny fialan-tsasatra lehibe isika ankehitriny.

Card image cap
18-août-2023

asa vonjy tavan’andron’ny fiadidiana ny kaominin’Antananarivo renivohitra hatrany ny mikasika ny fako be nisavovona

Card image cap
17-août-2023

Tohin’ny asa vonjy tavan’andron’ny fiadidiana ny kaominin’Antananarivo renivohitra hatrany mikasika ny fako be

Card image cap