Ankoatra ireo manana fahafahana kely hivoaka any amin’ny faritra dia tsy vitsy ihany koa ireo mikasa hamangy havana kely na dia ao anatin’ny telo andro monja aza. Mikasika ity farany manokana dia maromaro ireo fahaiza-miaina tsara ho fantatra mba tsy hahasorena ny hafa. Ilaina ohatra ny mitondra vatsy mandritra ny fotoana hijanonana any amin’ilay fianakaviana mba tsy hanahirana ny hafa. Efa sarotra rahateo ny fiainana. Toraka izany koa ny fandraisan’anjara amin’ireo karazan-draharaha tokony hatao ao an-tokantrano ao mba tsy ho lasa vesatra ho an’ny hafa. Amin’ny ankapobeny mantsy dia ilay fihaonana sy fitsidihana mahatsara fihavanana no tena zava-dehibe amin’ny Malagasy fa tsy ilay fialan-tsasatra loatra ka tokony hotandrovana fatratra.
Pati
Legende Floutter-na : Aleo manao raharaha sy mandray andraikitra rehefa miala sasatra any amin’ny fianakaviana ho fitandroana ny fihavanana !
Ataovy laharam-pahamehana, araho drafitra nasionaly ny sehatry ny lavanila, noho izany harem-pirenena, hoy ny antoko politika Malagasy Miara-miainga na MMM!
Ny 10 aogositra, herinandro katroka omaly no nilazan’ny Minisitry ny angovo sy ny akoran’afo Atoa Solo Andriamanampisoa fa tsy hisy intsony ny delestazy avy amin’ny fitsitsiana.
Loharanon’aretina ny loto, mety hitarika hatramin’ny fahafatesana.Marika ny tsy fanajana lalàna sy fitsipika ihany koa ny fanipazana sy fanariana fako etsy sy eroa.
Notorian’ny Lehiben’ny firaketan-draharahan’ny Fitsarana Rtoa Ellah Inham Herinatrehana sy ny mpitsara iray ho nanao fanalam-baraka,
asa vonjy tavan’andron’ny fiadidiana ny kaominin’Antananarivo renivohitra hatrany ny mikasika ny fako be nisavovona
Tohin’ny asa vonjy tavan’andron’ny fiadidiana ny kaominin’Antananarivo renivohitra hatrany mikasika ny fako be