Faritra Menabe afak’omaly 04 jona. Raha araka ny loharanom-baovao azo dia nihinana ilay karazan-trondro antsoina hoe : fanoara izy ireny ny 03 jona lasa teo. Tsy nahazaka ny fanaintainana sy ny aretin-kibo nateraky ny fihinanana io trondro misy poizina io anefa izy ireo ka namoy ny ainy avy hatrany raha mbola manaraka fitsaboana ao amin’ny hopitaly ao an-toerana kosa ireo Ray aman-dReniny sy ilay olona iray nivahiny tao amin’izy ireo. Raha araka ny fanazavan’Atoa Albert Roland, Ben’ny tanàna ao an-toerana dia tsy misy atahorana intsony ny ain’ireto farany. Na izany aza mbola mandray an-tanana ny fahasalaman’izy telo mbola tsaboina kosa ireo ity tompon’andraikitra ity sy ny tompon’andraikitra misahana ny fitaleovam-paritry ny jono any Menabe. Nanambara moa ireto farany fa tsy azo hanina mandavan-taona mihitsy ny trondro antsoina hoe any amin’iny Faritra Menabe iny noho izy misy poizina tena mahafaty. Mitohy ny fanentanana ny mponina noho izany.
Pati
(Sary fanehoana)
Mbola vao 5 kg isan’olona isan-taona ho an’ny Malagasy