airtel

Actualités

09-août-2023

Actualités

14 miliara Ar tsy voaloan'ny Jirama Manome 7 andro ny mpitatitra solika

Sample post image

Misavovona ny trosa! Nandefa taratasy any amin’ny Minisitry ny angovo sy ny akoran’afo Atoa Solo Andriamanampisoa

09-août-2023

ireo vondron’orinasa matihanina amin’ny fitaterana solika APTH (Association Professionnelle Transporteurs des Hydrocarbures) eo amin'ny 20 isa omaly 08 aogositra manoloana ny tsy fanajana ny fifanarahana avy amin’ny Jirama amin’ny fandoavany ny sandan’ny asa fitaterana ataon’izy ireo. Notsiahivin’izy ireo, fa taorian’ny fihaonana tamin’ireo olon’ny minisitera sy ny ekipan’ny Jirama ny 04 aprily lasa teo no efa tafakatra 12 827 544 170,84 Ariary ny trosa misavovona tao anatin’ny 6 volana, izay anton’ny fandoavana 2 miliara Ar isam-bolana zaraina mitovy amin’ireo mpitatitra. “Amin’izao fotoana izao anefa, zara raha fandoavana indray mandeha ihany no voahaja ho an’ny mpitatitra sasany raha toa ka tsy nahazo mihitsy ny sasany. Ny 22 jona 2023, nangataka tamin’ny mpitatitra mba hanao hetsika manokana mba hiantohana ny famatsiana ny jirama nandritra ny fetim-pirenena, narahina fampanantenanao minisitra tena mihitsy ny handoavana ny trosa mbola tsy voahefa, hoy ny APTH”, hoy ny APTH nampahatsiahy. Ankehitriny, mitentina 13,935 miliara ariary ny trosa Misavovona tokony haloa amin'ny APTH. Nanome fe-potoana hatramin’ny 15 aogositra, izany hoe afaka herinandro izy ireo noho izany mba handoavanan’ny Jirama Io vola Io. «Efa mitady ho banky ropitra ny orinasanay. Voatery handray fepetra izay hitarika fikatsoana eo amin’ny famatsiana solika izahay raha tsy misy ny vahaolana raisina alohan’io fe-potoana Io », hoy ny fanambarana izay miantefa amin’ny minisitry ny Angovo sy akoran'afo. Mba ho an’ny tombotsoan’ny besinimaro, nilaza fa mbola manao ny asany sy manatanteraka ny fifanarahana ny APTH mandra-pahatongan'io fotoana io. Ahiana hiha hangotraka indray ny delestazy manerana ny Nosy raha tsy voavaha io. Tsy vao sambany ny nisian’ny olana, fa efa mateti-pitranga, izay midika fa tsy tena manana vahaolana maharitra ny Fanjakana, fa mandeha amin’ny vonjy tavanandro na “tip top”. Manamafy io tranga io fa sahirana ara-bola ny Fanjakana Rajoelina, ary tsy maharaka intsony ny vola hoenti-manohana ny Jirama, izay an’arivony miliara Ar mahery isan-taona. Fanafoanana delestazy ao anatin’ny tapa-bolana no nampanantenaina, kanefa izao no miseho. Kofona tanteraka ny Fanjakana! Henjana ny fahatapahana omaly takariva nanomboka tamin’ny 6 ora teo tamin’ny faritra maro teto Antananarivo Renivohitra, izay nisy naharitra ora maro mihitsy. Asa noho ilay orana sy kotroka sa antony hafa? Mbola tsy manomboka akory ny fahavaratra amin’io!


Raha ny vinan’Atoa Tahina Razafinjoelina mikasika an’io olan’ny Jirama io, dia nambarany fa tsy maintsy miditra faran’izay haingana amin’ny fampiasana ny herin’ny masoandro i Madagasikara. 3000 hatramin’ny 6000 Ar ny 1 Watt amin’izany.1400 miliara ariary isan-taona nomena ny jirama, raha ny fanambaran’ny Filoham-pirenena farany teo. Raha atontona amin’ny fametrahana angovo azo havaozina amin’ny herin’ny masoandro fotsiny ohatra ny vola lany tamin’ny fanamboarana ny kianja Barea sy ny teleferika , izay 480 miliara ariary eo hoe dia efa mahavita 160 MW izany raha raisina amin’ilay hoe 3000 ariary ny 1 Watt, ary maharakotra ny sekoly sy hopitaly manerana ny Nosy io 160MW io. Mila miroso amin’ny herin’ny masoandro, ka farafaharatsiny ny atoandro hoentin’io loharanon’angovo io, ary ny alina amin’ny solika, izay mety efa mampihena antsasany ny fandaniana, raha ny vina natolony.
Toky R
 

Dans la même rubrique

18-août-2023

Ataovy laharam-pahamehana, araho drafitra nasionaly ny sehatry ny lavanila, noho izany harem-pirenena, hoy ny antoko politika Malagasy Miara-miainga na MMM!

Card image cap
18-août-2023

Ny 10 aogositra, herinandro katroka omaly no nilazan’ny Minisitry ny angovo sy ny akoran’afo Atoa Solo Andriamanampisoa fa tsy hisy intsony ny delestazy avy amin’ny fitsitsiana.

Card image cap
18-août-2023

Loharanon’aretina ny loto, mety hitarika hatramin’ny fahafatesana.Marika ny tsy fanajana lalàna sy fitsipika ihany koa ny fanipazana sy fanariana fako etsy sy eroa.

Card image cap
18-août-2023

Notorian’ny Lehiben’ny firaketan-draharahan’ny Fitsarana Rtoa Ellah Inham Herinatrehana sy ny mpitsara iray ho nanao fanalam-baraka,

Card image cap
18-août-2023

Tafiditra tanteraka ao anatin’ny vanim-potoanan’ny fialan-tsasatra lehibe isika ankehitriny.

Card image cap
18-août-2023

asa vonjy tavan’andron’ny fiadidiana ny kaominin’Antananarivo renivohitra hatrany ny mikasika ny fako be nisavovona

Card image cap