airtel

Actualités

08-mai-2023

Actualités

Afera maizina fanondranana zaza Tsy mahazo miditra eto Madagasikara intsony i Dylan Thiry

Sample post image

Manoloana ny fivoahan'ilay vaovao hita tao amin'ny tambazotran-tserasera facebook mahakasika fanondranana zazakely hataon’ilay tera-tany vahiny iray antsoina hoe Dylan Thiry dia nanao fanadihadiana avy hatrany ny Polisy.

08-mai-2023

Raha ny lalàna manan-kery eto Madagasikara dia tranga voasazin'ny lalàna ny fanondranana olona an-tsokosoko indrindra fa ny fanamarinan-jaza amin'ny alalan'ny fananganana zaza eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena tsy ara-dalàna. Rehefa natao ny fanadihadiana dia fantatra fa ny taona 2022 no nivezivezy in-droa teto Madagasikara io teratany vahiny io, in-droa niditra sisin-tany izy ary in-droa nivoaka ny sisintany. Fantatra ihany koa fa tsy nisy zaza malagasy niaraka taminy nandritra ny fivoahany indroa ny sisin-tany. Araka ny voalazan'ny fehezan-dalàna andininy faha 37 sy 38 ao amin'ny lalàna 2014/40 dia afaka manenjika sy mitsara ary manasazy ireo olona mandika lalàna eo amin'ny sehatry ny fanondranana olona an-tsokosoko eto an-toerana na any ivelan'i Madagasikara ny fitsarana malagasy, ary ny Polisim-pirenena ihany koa dia efa nahazo baiko avy amin’ny tonian'ny mpampanao lalàna ao amin'ny fitsarana Antananarivo ny hanokafana fanadihadiana momba izany. Hohamafisina ny fiarovana ny zaza Malagasy ary handray ny fepetra ny governemanta ny amin'ny tsy fahafahan'io tera-tany vahiny Dylan Thiry io hiditra eto Madagasikara intsony. Mbola mitohy ny fanadihadiana hahafahana misoroka izay mety ho trangan-javatra rehetra tahaka izao. Mifanome tanana nanao izao fanambarana izao moa ny Minisitry ny fitsarana, ny Minisitry ny ati-tany sy ny fitsinjaram-pahefana , ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka, ny Minisitry ny mponina sy ny fiahiana ara-tsosialy ary ny fampivoarana ny vehivavy. Tsiahivina moa fa anisan’ny tena nahalasa saina ny maro ny fisian’ireo karazana peta-drindrina isan’andro ireny mitaraina mikasika ireo zaza tsy hita na very. Tsy hanavahana sokajin-taona intsony izany ary saika voakasika avokoa na lahy na vavy. Ny tsy azo hiodivirana dia tsy olona iray no manao an’ io fa tsy maintsy tambazotra ary misy hatramin’ny manam-pahefana mpanao taratasy mihitsy mba hahafahan’ilay zaza miondrana miaraka amin’ilay mpaka azy. Tsara karohina fatratra ihany koa ireto farany noho izany fa tsy io tera-tany vahiny io irery.
Pati
 

Dans la même rubrique

18-août-2023

Ataovy laharam-pahamehana, araho drafitra nasionaly ny sehatry ny lavanila, noho izany harem-pirenena, hoy ny antoko politika Malagasy Miara-miainga na MMM!

Card image cap
18-août-2023

Ny 10 aogositra, herinandro katroka omaly no nilazan’ny Minisitry ny angovo sy ny akoran’afo Atoa Solo Andriamanampisoa fa tsy hisy intsony ny delestazy avy amin’ny fitsitsiana.

Card image cap
18-août-2023

Loharanon’aretina ny loto, mety hitarika hatramin’ny fahafatesana.Marika ny tsy fanajana lalàna sy fitsipika ihany koa ny fanipazana sy fanariana fako etsy sy eroa.

Card image cap
18-août-2023

Notorian’ny Lehiben’ny firaketan-draharahan’ny Fitsarana Rtoa Ellah Inham Herinatrehana sy ny mpitsara iray ho nanao fanalam-baraka,

Card image cap
18-août-2023

Tafiditra tanteraka ao anatin’ny vanim-potoanan’ny fialan-tsasatra lehibe isika ankehitriny.

Card image cap
18-août-2023

asa vonjy tavan’andron’ny fiadidiana ny kaominin’Antananarivo renivohitra hatrany ny mikasika ny fako be nisavovona

Card image cap