airtel

Actualités

02-août-2023

Actualités

AMPASINIMALO Raim-pianakaviana maty nanaton-tena tao an-tranony

Sample post image

Raim-pianakaviana iray vao 23 taona omaly no hita faty tao an-tokantranony tao Ampasanimalo, Boriborintany faharoa rehefa nanaton-tena.

02-août-2023

Tady nilon, nafatony tamin'ny hazo mitazona ny tafon-tranony no namonoany tena nandritra izany, izay namela diany goavana teo amin’ny tendany mihitsy hoy ireo nanatri-maso. Ny vady andefimandrin’ity lehilahy ity no nahita azy voalohany efa tsy misy fofon’aina intsony ka nanidy ny trano avy any ivelany noho ny fibosesiky ny olona handeha hijery ny zava-misy. Nihazakazaka nampandre ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny izy nandritra izany. Raha araka ny loharanom-baovao azo moa dia tsy nisy olana teo amin’izy mivady no sady karazan’ireny tsy nanana olana ireny ihany koa Ratompokolahy tao an-tokantranony talohan’izao namonoany tena izao saingy tsy fantatra izay tany ambadika. Ny fanadihadiana hataon’ny mpitandro ny filaminana ihany moa no hanamarina izany.
Nangonin’i Pati
 

Dans la même rubrique

18-août-2023

Ataovy laharam-pahamehana, araho drafitra nasionaly ny sehatry ny lavanila, noho izany harem-pirenena, hoy ny antoko politika Malagasy Miara-miainga na MMM!

Card image cap
18-août-2023

Ny 10 aogositra, herinandro katroka omaly no nilazan’ny Minisitry ny angovo sy ny akoran’afo Atoa Solo Andriamanampisoa fa tsy hisy intsony ny delestazy avy amin’ny fitsitsiana.

Card image cap
18-août-2023

Loharanon’aretina ny loto, mety hitarika hatramin’ny fahafatesana.Marika ny tsy fanajana lalàna sy fitsipika ihany koa ny fanipazana sy fanariana fako etsy sy eroa.

Card image cap
18-août-2023

Notorian’ny Lehiben’ny firaketan-draharahan’ny Fitsarana Rtoa Ellah Inham Herinatrehana sy ny mpitsara iray ho nanao fanalam-baraka,

Card image cap
18-août-2023

Tafiditra tanteraka ao anatin’ny vanim-potoanan’ny fialan-tsasatra lehibe isika ankehitriny.

Card image cap
18-août-2023

asa vonjy tavan’andron’ny fiadidiana ny kaominin’Antananarivo renivohitra hatrany ny mikasika ny fako be nisavovona

Card image cap