airtel

Actualités

05-mai-2023

Actualités

Andro iraisam-pirenena ho an’ny mpamonjy voina

Sample post image

Nihena ny hain-trano, nitombo ny afo an-kalamanjana

05-mai-2023

Ho fanamarihana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny mpamonjy voina na «Sapeur pompier» dia varavarana misokatra no nofidian’ny teto Antananarivo, izany hoe ny etsy Tsaralalana sy Analamahitsy, nanamarihana izany ho an’ireo tanora mpianatra eto Antananarivo hahalalana ny asan’ny mpamonjy voina. Eo koa ny hahalalantsika eto Antananarivo misoroka voina raha sanatria mitranga izany hampahomby ny asa famonjena haingana indrindra sy hamerana ho farany kely indrindra ny fahavoazana miantraika amin’ny fiarahamonintsika eto, hoy ny Kolonely Razafimanahaka Tiana, lehiben’ny sampan-draharaha mpamonjy voina. 150 isa ny mpamonjy voina teto Antananarivo ny taona 2020, hoy izy. 384 izany ankehitriny. Afaka nampitombo avo 2 heny ny isan’ny mpamonjy voina izany isika tao anatin’ny 2 taona. Tsy ambanin’izany ny fitaovana. Teo ny fiarabe izay hitantsika ireny fa ny pitsopitsony madinidinika anatin’ireo fiara efa teo koa dia nasiana fanavaozana daholo. 17 no isan’ny maty an-drano ny taona 2022 ny volana janoary. Ankehitriny isika volana may. 19 no maty an-drano. Izany hoe nisy fihenana. 1 isan’andro eo ny salan’isan’ny firehetana eto Antananarivo. Sarihina isika noho izany mba hiray hina anaty fisorohana ny loza satria ny loza tsy mitranga no fandresena. Ny olona no fototry ny firehetana na «incendie». Na io fanadinoana na tsy fahalalana. Sanatriavina fandrehetana afo mihitsy izay lasa tsy voafehy. Raha tany an-tokantrano no be indrindra ny firehetana ny taona 2022 dia tsapa fa efa nihena izany. Ny afo ankalamanjana na doro tanety no lasa nitombo. Ny salan’isa no tsy niova fa ny toerana nitrangan’ny afo no somary niova kely. Ny tananantsika dia tsy mitsaha-mitombo. Ny olona eto Antananarivo tsy mitsaha-mitombo. Raha tsy mandray fepetra miaraka isika rehetra dia mety hiakatra io taha 1 isan’andro io. Ny mpamonjy voina indray no mety tsy haharaka amin’izay fotoana izay, hoy hatrany ny antsoavo.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

18-août-2023

Ataovy laharam-pahamehana, araho drafitra nasionaly ny sehatry ny lavanila, noho izany harem-pirenena, hoy ny antoko politika Malagasy Miara-miainga na MMM!

Card image cap
18-août-2023

Ny 10 aogositra, herinandro katroka omaly no nilazan’ny Minisitry ny angovo sy ny akoran’afo Atoa Solo Andriamanampisoa fa tsy hisy intsony ny delestazy avy amin’ny fitsitsiana.

Card image cap
18-août-2023

Loharanon’aretina ny loto, mety hitarika hatramin’ny fahafatesana.Marika ny tsy fanajana lalàna sy fitsipika ihany koa ny fanipazana sy fanariana fako etsy sy eroa.

Card image cap
18-août-2023

Notorian’ny Lehiben’ny firaketan-draharahan’ny Fitsarana Rtoa Ellah Inham Herinatrehana sy ny mpitsara iray ho nanao fanalam-baraka,

Card image cap
18-août-2023

Tafiditra tanteraka ao anatin’ny vanim-potoanan’ny fialan-tsasatra lehibe isika ankehitriny.

Card image cap
18-août-2023

asa vonjy tavan’andron’ny fiadidiana ny kaominin’Antananarivo renivohitra hatrany ny mikasika ny fako be nisavovona

Card image cap