airtel

Actualités

05-juil-2023

Actualités

Ankizy arenina ao Antanimora Zanaky ny lalana ny ankamaroany

Sample post image

Mihoatra ny 100 ireo zazalahy kely tsy ampy taona tazonina sy arenina ao amin’ny fonjaben’Antanimora amin’izao.

05-juil-2023

Raha araka ny fantatra dia zanaky ny lalana ny ankamaroan’izy ireo ary nanendaka, nanao sinto-mahery, namono olona ankoatra ireo voaendrikendrika ny antony hanenjehana azy. Ankoatra ny fanefan’izy ireo ny saziny ho an’ireo efa voatsara dia misy ny fitsipika mifehy azy ireo raha araka ny fanazavan’ny tompon’andraikitra. Tsy maintsy mifoha amin’ny 06 ora maraina isan’andro ka mangahazo maina avy amin’ny fitondram-panjakana no sakafo. Manao raharaha toy ny manadio ny trano fidiovana sy fivoahana, ny efitrano fandriana…aorian’izany ary mamonjy ny sekoly sy ny ivon-toeram-piofanana arak’asa avy eo. Mirava indray amin’ny 12 ora atoandro dia misakafo ka fikambanana tsy miankina iray no miantoka izany. Miverina any am-pianarana indray amin’ny 02 ora folakandro ary mirava amin’ny 04 ora. Ny fianakavian’ireo ankizy arenina ireo kosa no miantoka ny sakafo hariva ho an’ireo mbola misy manatitra ka ireo zazalahy kely ireo ihany no mahandro izany. Raha araka ny fantatra moa dia miisa 5 izy ireo no miatrika ny fanadinam-panjakana BEPC etsy amin’ny lisea Jean Joseph Rabearivelo ka misy mpandraharahan’ny fonja manara-maso azy ireo.
Nangonin’i Pati
Legende : Ireo zazalahy kely nania tazonina etsy amin’ny fonjaben’Antanimora
 

Dans la même rubrique

18-août-2023

Ataovy laharam-pahamehana, araho drafitra nasionaly ny sehatry ny lavanila, noho izany harem-pirenena, hoy ny antoko politika Malagasy Miara-miainga na MMM!

Card image cap
18-août-2023

Ny 10 aogositra, herinandro katroka omaly no nilazan’ny Minisitry ny angovo sy ny akoran’afo Atoa Solo Andriamanampisoa fa tsy hisy intsony ny delestazy avy amin’ny fitsitsiana.

Card image cap
18-août-2023

Loharanon’aretina ny loto, mety hitarika hatramin’ny fahafatesana.Marika ny tsy fanajana lalàna sy fitsipika ihany koa ny fanipazana sy fanariana fako etsy sy eroa.

Card image cap
18-août-2023

Notorian’ny Lehiben’ny firaketan-draharahan’ny Fitsarana Rtoa Ellah Inham Herinatrehana sy ny mpitsara iray ho nanao fanalam-baraka,

Card image cap
18-août-2023

Tafiditra tanteraka ao anatin’ny vanim-potoanan’ny fialan-tsasatra lehibe isika ankehitriny.

Card image cap
18-août-2023

asa vonjy tavan’andron’ny fiadidiana ny kaominin’Antananarivo renivohitra hatrany ny mikasika ny fako be nisavovona

Card image cap