distrikan’Atsimondrano teny ohatra dia naharitra 2 andro izany delestazy izany, nanomboka ny zoma teo ka hatramin’ny afak’omaly sabotsy. Voatery najanona avokoa araka izany ireo karazan’asa mivelona amin’ny herinaratra rehetra toy ny fanamboarana mofomamy na dia betsaka aza ny kaomandy noho ny fahatongavan’ny fetin’ny Reny. Toraka izany koa ny asa fanamboaram-bolo. Tsy latsa-danja tamin’izany ny tranga nisy teny amin’ny kaominina Andoharanofotsy. Tapaka nandritra ny fotoana maharitra koa ny herinaratra teny amin’iny faritra iny tamin’ny sabotsy teo. Voatery nidina an-dalambe nitokona nanapaka lalana ny mponina vokatr’izany. Noho ny io fitokonana nataon’ny mponina io moa dia naverin’ny orinasa JIRAMA tao anatin’ny fotoana fohy ny herinaratra. Fa ho an’Itaosy manokana omaly dia nanomboka tamin’ny 3 ora folakandro teo ho eo ny delestazy. Naharitra ora telo teo ho eo izany vao niverina, antony tena nampitaraina fatratra ny mponina ihany koa noho ny nahafetin’ny Reny ny andro omaly. Tsiahivina moa fa ny 31 may teo no fe-potoana nomen’ny orinasa JIRAMA fa hifaranan’ity delestazy lavareny ity eto an-drenivohitra sy ny manodidina ity noho ny asa fanavaozana ireo fitaovana mpitondra herinaratra. Indrisy anefa fa mbola mitohy hatrany izany, antony miteraka fahatezerana sy fahasorenana any am-pon’ny mpanjifa. Niandrandra ny mponin’Atsimondrano hoe aiza ny solombavambahoaka mba hitondra ny fitarainan’ny vahoaka, tsy hita tabilao kanefa mailaka ery amina zavatra rehefa te haneho hevitra any anaty facebook.
Pati
Legende : Nivoaka ny tanàna nampiseho ny tsy fahafaliany ny mponin’Atsimondrano, leo delestazy.
Ataovy laharam-pahamehana, araho drafitra nasionaly ny sehatry ny lavanila, noho izany harem-pirenena, hoy ny antoko politika Malagasy Miara-miainga na MMM!
Ny 10 aogositra, herinandro katroka omaly no nilazan’ny Minisitry ny angovo sy ny akoran’afo Atoa Solo Andriamanampisoa fa tsy hisy intsony ny delestazy avy amin’ny fitsitsiana.
Loharanon’aretina ny loto, mety hitarika hatramin’ny fahafatesana.Marika ny tsy fanajana lalàna sy fitsipika ihany koa ny fanipazana sy fanariana fako etsy sy eroa.
Notorian’ny Lehiben’ny firaketan-draharahan’ny Fitsarana Rtoa Ellah Inham Herinatrehana sy ny mpitsara iray ho nanao fanalam-baraka,
Tafiditra tanteraka ao anatin’ny vanim-potoanan’ny fialan-tsasatra lehibe isika ankehitriny.
asa vonjy tavan’andron’ny fiadidiana ny kaominin’Antananarivo renivohitra hatrany ny mikasika ny fako be nisavovona