Manam-pahaizana eran-tany miisa 12 avy amin’ny rafi-panjakana sy sehatra tsy miankina misolo tena ireo firenena mpamokatra sy mpanjifa cacao no nikaon-doha tao anatin’izany. Fotoana nanaovana fifanakalozana sy fifampizarana hanatsarana ny sehatry ny kakao. Ho an’I Madagasikara manokana, nivoitra tao anatin’izany, fa miady mafy isika Malagasy hitazona ny laharana voalohany amin’ny famokarana kakao tsara indrindra sy ho maodely faka tahaka amin’ny fahombiazan’ny fanavaozana sy fanadiovana ny seha-pihariana kakao. Fanirian’ny Minisitra Edgard Razafindravahy ny hametrahana rafitra iraisam-pirenena toy ny ICCO (Vondrona iraisam-pirenena momba ny cacao) isak’ireo seha-pihariana hafa. “Tokony hivondrona anatin’ny rafitra iray toy io na ireo mpamboly, na ireo mpikirakira, na ireo indostrialy na mpanodina, na ireo mpanondrana, eo ihany koa ny mpividy eo amin’ny tsena iraisam-pirenena, ahafahantsika mametra marina ny vidin’ny lavanila na ny jirofo”, hoy io Minisitra io. Nandinihana ihany koa moa io ny momba ny fanavaozana ny lisitra sy filaharan’ireo firenena manodidina ny 20 mpamokatra kakao tsara indrindra. "Isan'ny reharehan'izao tontolo izao ny kakao antsika eto Madagasikara ary tena niady isika ny hitazona ny laharana voalohany amin'ny famokarana ny cacao tsara indrindra izay misy hanitra mampiavaka azy tokoa (cacao fin aromatique)", hoy ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria, ny Varotra sy ny Fanjifana. Nentina tamin'ireo manam-pahaizana manokana moa ny antontan-kevitra momba ny kakao tsara kalitao indrindra malagasy (cacao fin) nandritra ny famaranana ity fikanan-dohan’ireo manam-pahaizana ity.
Toky R
Ataovy laharam-pahamehana, araho drafitra nasionaly ny sehatry ny lavanila, noho izany harem-pirenena, hoy ny antoko politika Malagasy Miara-miainga na MMM!
Ny 10 aogositra, herinandro katroka omaly no nilazan’ny Minisitry ny angovo sy ny akoran’afo Atoa Solo Andriamanampisoa fa tsy hisy intsony ny delestazy avy amin’ny fitsitsiana.
Loharanon’aretina ny loto, mety hitarika hatramin’ny fahafatesana.Marika ny tsy fanajana lalàna sy fitsipika ihany koa ny fanipazana sy fanariana fako etsy sy eroa.
Notorian’ny Lehiben’ny firaketan-draharahan’ny Fitsarana Rtoa Ellah Inham Herinatrehana sy ny mpitsara iray ho nanao fanalam-baraka,
Tafiditra tanteraka ao anatin’ny vanim-potoanan’ny fialan-tsasatra lehibe isika ankehitriny.
asa vonjy tavan’andron’ny fiadidiana ny kaominin’Antananarivo renivohitra hatrany ny mikasika ny fako be nisavovona