Miseho amin’ny endriny maro samihafa ireo karazana taratasy hosoka eto amintsika. Vehivavy iray no tonga tao amin’ny biraon’ny polisy misahana ny fanaovana passeport etsy Anosy fa saika hanao passeport ny 04 May lasa teo.Rehefa nohamarinina ireo antontan-taratasy teny aminy dia nahitana attestation de travail sy attestation d'hébergement hosoka. Rehefa nohadiadihana tao amin’ny Service Central des Enquêtes Spécialisées ilay vehivavy dia nilaza fa novidiany 1 500 Ar tao amin’ny cybercafe iray eny tanjombato ireo taratasy hosoka ireo. Nokarohina avy hatrany io cyber café nolazainy ion y 05 May ka voamarina tokoa fa mivarotra taratasy fikarakarana antontan-taratasy maro ity cybercafé ity. Nosamborina avy hatrany ny tompon’ilay cyber sy ilay mpiasany tao ka noentina natao famotorana tany amin'ny birao. Samy niaiky ny heloka vitany avokoa izy roalahy ireo nandritra ny famotorana natao azy. Nambaran'izy ireo fa rehefa misy olona tonga manao scan ao amin'izy ireo dia iny ihany alain'izy ireo hanamboarana taratasy hosoka ho an'izay mila izany fa soloina fotsiny ny anarana sy ny caché. Efa naiditra am-ponja vonjimaika izy roalahy ireto izay vao 31 sy 41 taona.
Pati
Legende : Any am-ponja ireto tompona cyber ireto amin’izao no maka saina !
Ataovy laharam-pahamehana, araho drafitra nasionaly ny sehatry ny lavanila, noho izany harem-pirenena, hoy ny antoko politika Malagasy Miara-miainga na MMM!
Ny 10 aogositra, herinandro katroka omaly no nilazan’ny Minisitry ny angovo sy ny akoran’afo Atoa Solo Andriamanampisoa fa tsy hisy intsony ny delestazy avy amin’ny fitsitsiana.
Loharanon’aretina ny loto, mety hitarika hatramin’ny fahafatesana.Marika ny tsy fanajana lalàna sy fitsipika ihany koa ny fanipazana sy fanariana fako etsy sy eroa.
Notorian’ny Lehiben’ny firaketan-draharahan’ny Fitsarana Rtoa Ellah Inham Herinatrehana sy ny mpitsara iray ho nanao fanalam-baraka,
Tafiditra tanteraka ao anatin’ny vanim-potoanan’ny fialan-tsasatra lehibe isika ankehitriny.
asa vonjy tavan’andron’ny fiadidiana ny kaominin’Antananarivo renivohitra hatrany ny mikasika ny fako be nisavovona