Andekaleka ihany koa, nahatonga ny delestazy goavana tamina faritra maro teto Antananarivo ny alahady teo nifanandrify indrindra tamin'ilay fandaharana manokana nataon'ny filoham-pirenena”, hoy ny seraseran’ny Jirama. Nilaza noho izany io orinasa io, fa hametraka fitoriana an'olon-tsy fantatra (plainte contre x sy “cameras de surveillance” amin’ireo “sous-stations” rehetra ny JIRAMA. Vahaolana lavitr'ezaka kosa ny fametrahana olona mpiambina ireny “lignes” saro-pady 63kv sy 138kv ireny ary “drones” amin'ireo toerana saro-dalana. Sao dia mba tetika politika nenti-nampiakatra ny mpanaraka ilay fandaharana tamin’ny tambajotran-tserasera satria iny no isan’ny nanaovan’ny fitondrana serasera fa tena nahazo olona tao amin’ny Facebook. Mba tsy nahazo tsiny indray izany ny vorona sy ny papanga teto. Betsaka izay zavatra noresahana nentina nanazavana ny tsy fahatomombanan’ny famatsiana herinaratra sy ny delestazy mandavan-taona izay. Tsy vao izao fa efa hatramin’ny andron’ny Minisitry ny angovo sy ny akoran’afo teo aloha Andry Ramaroson no nilazana fa misy mafia ao amin’ny Jirama. Nandeha ny raharaha halatra solila, niakatra fitsarana ny raharaha fahazoana tombotsoa mihoampampana ho an’ny mpitantana ambony, namoahana didy fampikarohana ny Tale Jeneraly teo aloha Vonjy Andriamanga sy ny Tale Kabinetra teo aloha Rtoa Onja Rasamimanana, ary ny Tale Jeneraly Atoa Rivo Radanielina izay mbola tsy voasolo mandrak’androany ary voatery nandeha nitsoaka any ivelany ny Tale Jeneraly. Efa nisy nisy raharaha fahamaizana tany Andekaleka, ny resaka figafiana ny andrin-jiro mitondra herinaratra matanjaka be ka namoahana serasera fa omena volabe izay manome fanampim-baovao hahatrarana ny tompon’antoka,… Nandalo ireny rehetra ireny, efa tsy eo intsony ireo tompon’andraikitra isan’ny nosokajiana ho fangoloka, fa ny delestazy mbola mitoetra. Rehefa zohiana, sasatry ny mitady izay hanilihana ny rihitra hatrany. Nandeha ny fampanantenana samihafa momba ny hahafoana ny delestazy, ka ny farany teo dia ilay tamin’ny alahady 16 jolay nilazana fa ao anatin’ny tapa-bolana farafahatarany. Mandra-piandry izany rehetra izany, dia mbola tsy voatendry mandrak’androany ny Tale Jeneraly vaovao, izay toa niova anarana ho “manager de redressement” indray ka asa hanao ahoana ihany? Dimy taona teo tsy hita izay vahaolana fa vao mainka aza nitombo ny tanjaky ny delestazy ka asa hoe: tena hisy ve ny fahagagana ao anatin’ny tapa-bolana sa balarora tahaka ny ankamaroan’ireo efa notenenina hatramin’izay ihany ?
Toky R
Ataovy laharam-pahamehana, araho drafitra nasionaly ny sehatry ny lavanila, noho izany harem-pirenena, hoy ny antoko politika Malagasy Miara-miainga na MMM!
Ny 10 aogositra, herinandro katroka omaly no nilazan’ny Minisitry ny angovo sy ny akoran’afo Atoa Solo Andriamanampisoa fa tsy hisy intsony ny delestazy avy amin’ny fitsitsiana.
Loharanon’aretina ny loto, mety hitarika hatramin’ny fahafatesana.Marika ny tsy fanajana lalàna sy fitsipika ihany koa ny fanipazana sy fanariana fako etsy sy eroa.
Notorian’ny Lehiben’ny firaketan-draharahan’ny Fitsarana Rtoa Ellah Inham Herinatrehana sy ny mpitsara iray ho nanao fanalam-baraka,
Tafiditra tanteraka ao anatin’ny vanim-potoanan’ny fialan-tsasatra lehibe isika ankehitriny.
asa vonjy tavan’andron’ny fiadidiana ny kaominin’Antananarivo renivohitra hatrany ny mikasika ny fako be nisavovona