airtel

Actualités

06-juil-2023

Actualités

Delestazy manerana ny firenena Tsy misy jiro andro aman’alina i Ambovombe

Sample post image

Androy Efa zary lasa fiainana andavanandro ny fahatapahan-jiro mahery vaika, izay tsy eto Antananarivo ihany fa saika manerana ny Nosy.

06-juil-2023

Ny any Mahajanga mikolay tanteraka, ny any Ambatondrazaka zara raha misy herinaratra,… Ny any Ambovombe Androy moa dia tena tsy misy jiro intsony na andro na alina, raha ny fampitam-baovao avy any an-toerana. Talohan’ny fety mba nandeha tapak’andro fa izao tena tsy misy intsony, hoy ny fitarainana. Tsy manana vahaolana ny Fanjakana, fa toa ny fitadiavana izay serasera hoentina milaza ny anton’ny fahatapahana sisa no atao, hany ka toa lasa mihevitra ny vahoaka ho bado indraindray. Tamin’ny andro fety, tahaka ny pantekoty sy ny fankalazana ny fetim-pirenena teo, afaka nandeha tsara tsy nisy olana ny jiro tamin’ny ankampobeny. Niverina tamin’ny mahazatra dia fahatapahana lava rehefa andavanandro. Midika fa olana ara-bola no sakana satria tsy ampy ny vola hividianana solika, kanefa tsy afaka manao “requisition” tahaka ny fanao hatramin’izay ny fitondram-panjakana. Hankinina amin’izay Tale Jeneraly vaovao hotendrena ny fanarenana, saingy ho sarotra ny miandry azy raha izao toe-javatra izao. Azo antoka fa mbola ho fitaovana politika amin’ny fifidianana manaraka ny famahana ny delestazy taorian’ny kobaka am-bavan’ny Filoha ankehitriny nanenjika sy nanaratsy ny mpitondra teo alohany saingy vao mainka loza ny nafitsony. Izao potika sy mandohalika ny fihariana maro mila herinaratra saingy tsy maharototra firy ny mpitondra intsony! Izao ve ilay hoe: ho sangany sy ho voalohany aty Afrika sa voalohany amin’ny delestazy no tena izy ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

18-août-2023

Ataovy laharam-pahamehana, araho drafitra nasionaly ny sehatry ny lavanila, noho izany harem-pirenena, hoy ny antoko politika Malagasy Miara-miainga na MMM!

Card image cap
18-août-2023

Ny 10 aogositra, herinandro katroka omaly no nilazan’ny Minisitry ny angovo sy ny akoran’afo Atoa Solo Andriamanampisoa fa tsy hisy intsony ny delestazy avy amin’ny fitsitsiana.

Card image cap
18-août-2023

Loharanon’aretina ny loto, mety hitarika hatramin’ny fahafatesana.Marika ny tsy fanajana lalàna sy fitsipika ihany koa ny fanipazana sy fanariana fako etsy sy eroa.

Card image cap
18-août-2023

Notorian’ny Lehiben’ny firaketan-draharahan’ny Fitsarana Rtoa Ellah Inham Herinatrehana sy ny mpitsara iray ho nanao fanalam-baraka,

Card image cap
18-août-2023

Tafiditra tanteraka ao anatin’ny vanim-potoanan’ny fialan-tsasatra lehibe isika ankehitriny.

Card image cap
18-août-2023

asa vonjy tavan’andron’ny fiadidiana ny kaominin’Antananarivo renivohitra hatrany ny mikasika ny fako be nisavovona

Card image cap