Tapatapaka arak'izany ny famatsiana herinaratra amin'ny toerana sasantsasany eto Antananarivo sy ny manodidina, koa ialàna tsiny indrindra ny fanelingelenana aterak'izany tompoko. Efa an-dalam-panarenana ny tsy fahatomombanana ny teknisiana ka rehefa vitæ izany dia hiverina tsikelikely amin'ny laoniny ny famatsiana herinaratra amin'ireo toerana mbola voakasiky ny fahatapahana”, hoy seraseran’ny Jirama omaly tamin’ny 10 ora alina sy 15 minitra. Maizina tanteraka Antananarivo omaly alina, eny fa na teny amin’ny Faritra Ambatobe misy ny fonenan’ny Filoham-pirenena aza. Ny janoary 2022 no nisy fahatapahana goavana tao Andekaleka noho ny resaka fahaizan’ny milina, avy eo mbola nisy hoe: dibo-drano. Nampanantenaina tamin’izany fa afaka 6 ka hatramin’ny 8 volana dia ho foana ny delestazy, izay ny Filoa Rajoelina mihitsy no nidina nanao serasera tany, saingy mandrak’ity ny androany vao mainka loza. Tsy resaka milina ihany, fa hatramin’ny fandoavana ny volan’ireo mpiara-miombon’antoka amin’ny Jirama olana be. Vao tamin’ity volana ity ohatra, dia nitaky 250 miliara Ar ny Tozzi Green. Miainga amin’ny vahaolana vonjivonjy tavanandro eo ka mitambatra ny olana teknika sy ara-bola. Tsy tena misy vahaolana, tsy araka ny vava be tamin’ny propagandy, aiza ihany ilay 400MW, angaha tsy efa fantatra indray ny filana ara-angovon’I Madagasikara araka ny nambara tao anatin’ny adihevitr’ireo kandida tamin’ny 2018 ary efa vonona ny zava-drehetra,… Azo antoka fa mbola azon’ireo ho kandida Filoham-pirenena hanaovana fampanantenana ny resaka Jirama amin’ny propagandy manaraka satria poakaty ny nambaran’ilay kandida lany. Mila hamoraina anefa ny fisitrahana angovo azo havaozina, fa raha hanantena ny Jirama mety mbola ho ela.
Toky R
Ataovy laharam-pahamehana, araho drafitra nasionaly ny sehatry ny lavanila, noho izany harem-pirenena, hoy ny antoko politika Malagasy Miara-miainga na MMM!
Ny 10 aogositra, herinandro katroka omaly no nilazan’ny Minisitry ny angovo sy ny akoran’afo Atoa Solo Andriamanampisoa fa tsy hisy intsony ny delestazy avy amin’ny fitsitsiana.
Loharanon’aretina ny loto, mety hitarika hatramin’ny fahafatesana.Marika ny tsy fanajana lalàna sy fitsipika ihany koa ny fanipazana sy fanariana fako etsy sy eroa.
Notorian’ny Lehiben’ny firaketan-draharahan’ny Fitsarana Rtoa Ellah Inham Herinatrehana sy ny mpitsara iray ho nanao fanalam-baraka,
Tafiditra tanteraka ao anatin’ny vanim-potoanan’ny fialan-tsasatra lehibe isika ankehitriny.
asa vonjy tavan’andron’ny fiadidiana ny kaominin’Antananarivo renivohitra hatrany ny mikasika ny fako be nisavovona