airtel

Actualités

23-juin-2023

Actualités

Delestazy tsy ahitam-bahaolana Miharihary ny tsy fahaiza-mitantan’ny fitondrana Mapar

Sample post image

Porofo miharihary maneho ny tsy fahaiza-mitantan’ny Fanjakana Rajoelina TGV Mapar io delestazy mandavan-taona io.

23-juin-2023

Niainga hatramin’ny janoary 2022 hatramin’izao ve tsy nahita vahaolana ihany fa vao mainka zava-doza dia inona no mbola antenaina amin’izany? Izao no mbola hotohizana 5 taona? Be vava loatra tamin’ny fanenjehana ny Fanjakana teo aloha, fatratra ny fampanantenana poakaty tamin’ny propagandy nilazana ilay 400MW ao anatin’ny 5 taona. Tsy arakaraka izay, tena tsy nahafehy ny angovo, ka asa noheveriny hoe: bokotra no potserina dia milamina ny resaka angovo eto Madagasikara? Tale Jeneraly aza moa tsy voatendry hatramin’izao! Ny minisitra efa avy nitantana ny Jirama, fa tsy nisy natokona! Sasatry ny mitady izay zavatra hoenti-manazava ny fahatapahana lava. Nisy fotoana mba nandeha nilamina 3 na 4 andro tamin’ny tapa-bolana lasa, dia niverina tanteraka tao anaty fahatapahana indray. Nolazaina fa famatsiana solika no olana ary nampitomboina ny kamio fa hoe: 4 hatramin’ny 5 no tonga kanefa hatrany amin’ny 10 no ilaina. Izao indray misy kamio mivarina an-kady izay asa na loza tahaka ny loza rehetra na sanatria zavatra iniana atao mba hoenti-miala bala amin’ity delestazy ity? Tsy hita izay niova taorian’izay, ary tsy eto Antananarivo ihany izay efa nangotraka ny fihetsiketsehana sy fanakanan-dalàna ny tamin’ny toerana maro ny takarivan’ny alarobia teo, fa hatrany amin’ny faritra no misy olana, tahaka ny ao Mahajanga izay mety hihetsika mihitsy ny vahoaka rahampitso sabotsy. Porofo iray maneho, fa tsy mitombona ny fialana bala amin’ny resaka andro ririnina, fa ny vola hoenti-mividy solika hanodidina ny Jirama mihitsy no olana. Rehefa ririnina lazaina fa tsy ampy ny tosiky ny rano, lohataona tsy misy rano, fahavaratra be loatra ny rano ka simba ny milina,… Rahoviana izany no handeha ara-dalàna tsy misy fahatapahana? Mahatratra 13 ora ny fahatapahana ao anatin’ny iray andro, tena potika ny ankamaroan’ny fihariana maro. Ny any anatin’ireny toerana fanaovam-bolo ireny efa teny ratsy no heno vao misy ny fahatapahana, ny mpivarotra trondro na “poissonnerie” potika ny entana ary mety hitera-doza amin’ny mpanjifa raha sanatria mbola iniana hamidy,… Vizana tanteraka na sanatria iniana vizanina ny Jirama ka asa na tetehana hamidy mora na “Ariary symbolique”? Tapitra potika na mitsipozipozy ireo orinasam-panjakana tamin’izao fitondrana Rajoelina izao. Novonoina tanteraka ny Air Madagascar rehefa avy banky ropitra, kanefa ny nasolo azy aza efa bokan-trosa hatrany amin’ny 35 tapitrisa dolara. Efa rendrika na an-dalana ho rendrika tanteraka ny Jirama amin’izao. Ny CNaPS toa natao fandoarana vola ka asa ihany koa izay hiafarany ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

18-août-2023

Ataovy laharam-pahamehana, araho drafitra nasionaly ny sehatry ny lavanila, noho izany harem-pirenena, hoy ny antoko politika Malagasy Miara-miainga na MMM!

Card image cap
18-août-2023

Ny 10 aogositra, herinandro katroka omaly no nilazan’ny Minisitry ny angovo sy ny akoran’afo Atoa Solo Andriamanampisoa fa tsy hisy intsony ny delestazy avy amin’ny fitsitsiana.

Card image cap
18-août-2023

Loharanon’aretina ny loto, mety hitarika hatramin’ny fahafatesana.Marika ny tsy fanajana lalàna sy fitsipika ihany koa ny fanipazana sy fanariana fako etsy sy eroa.

Card image cap
18-août-2023

Notorian’ny Lehiben’ny firaketan-draharahan’ny Fitsarana Rtoa Ellah Inham Herinatrehana sy ny mpitsara iray ho nanao fanalam-baraka,

Card image cap
18-août-2023

Tafiditra tanteraka ao anatin’ny vanim-potoanan’ny fialan-tsasatra lehibe isika ankehitriny.

Card image cap
18-août-2023

asa vonjy tavan’andron’ny fiadidiana ny kaominin’Antananarivo renivohitra hatrany ny mikasika ny fako be nisavovona

Card image cap