Manampy trotraka izany ny delestazy lavarenin’ny JIRAMA. Amin’ny ankapobeny dia amin’ny 5 ora, ora fodiana any an-tokantrano mihitsy no tapaka ny jiro. Tsy afaka manohy ny fianarany ara-dalana intsony ny mpianatra noho izany ho an’ireo mirava amin’ny 06 ora raha mahandro sakafo maizina ihany koa ireo efa tonga any an-tokantrano. Voatery nanamboatra ny fandaharam-potoanany araka izany ny ankamaroan’ireo sekoly nanaovanay fanadihadiana teny amin’iny distrikan’Atsimondrano iny. Naroso amin’ny 05 ora sy sasany farafahatarany ny firavan’ny mpianatra amin’ny hariva. Tsy maintsy tsenaina ihany koa ireo mbola ao amin’ny kilasy fahaenina ohatra noho ny firongatr’ireo mpanendaka. Tsy vitsy amin’ireo mpianatra mirava hariva mantsy no voaendaka tato ho ato ka nandraisan’ny ankamaroan’ny sekoly fepetra ihany koa. Amin’ny ankapobeny moa dia amin’ity herinandro vaovao ity no miatrika ny fanadinana fifindran-kilasy ny mpianatra rehetra ankoatra ireo hiatrika ny fanadinam-panjakana. Hiditra ao anatin’ny fialan-tsasatra lehibe araka izany ny rehetra mialohan’ny fetim-pirenena 26 Jona ho avy izao.
Pati
Legende : Ravaina mialoha avokoa ny mpianatra amin’izao vanim-potoanan’ny ririnina izao
Ataovy laharam-pahamehana, araho drafitra nasionaly ny sehatry ny lavanila, noho izany harem-pirenena, hoy ny antoko politika Malagasy Miara-miainga na MMM!
Ny 10 aogositra, herinandro katroka omaly no nilazan’ny Minisitry ny angovo sy ny akoran’afo Atoa Solo Andriamanampisoa fa tsy hisy intsony ny delestazy avy amin’ny fitsitsiana.
Loharanon’aretina ny loto, mety hitarika hatramin’ny fahafatesana.Marika ny tsy fanajana lalàna sy fitsipika ihany koa ny fanipazana sy fanariana fako etsy sy eroa.
Notorian’ny Lehiben’ny firaketan-draharahan’ny Fitsarana Rtoa Ellah Inham Herinatrehana sy ny mpitsara iray ho nanao fanalam-baraka,
Tafiditra tanteraka ao anatin’ny vanim-potoanan’ny fialan-tsasatra lehibe isika ankehitriny.
asa vonjy tavan’andron’ny fiadidiana ny kaominin’Antananarivo renivohitra hatrany ny mikasika ny fako be nisavovona