airtel

Actualités

13-juil-2023

Actualités

Fampandrosoana ny angovo Mbola tsy anaty sahan-dresaka i Madagasikara

Sample post image

Fisitrahana vokatra avy amin’ny angovo azo antoka, maharitra, mifanaraka amin’ny toetr’andro,

13-juil-2023

tsy misy fetra no isan’ny tanjona miisa 17 mikasika ny fampandrosoana maharitra napetraky ny fandaharan’ny firenena mikambana misahana ny fampandrosoana nanomboka ny taona 2015, izany hoe tapaka nandritry ny fivoriamben’ny PNUD handimby ny tanjon’ny OMD ny septambra 2015. Ahatongavana amin’izany dia mila atao avo roa heny nanomboka tamin’io fotoana io hatramin’ny taona 2030 ny taham-pamokarana angovo, raha ny fanazavana voaray. Voakasika manokana ny faritr’i Afrika atsinanana na “Afrique subsaharienne” satria ny atsasa-manilan’ny mponiny no mbola tsy misitraka herinaratra. Ny angovo mety mirehitra izay azo avaozina sy tsy vidiam-bola na “biomasse” nefa dia ahitana olana maro, raha ny hevitry ny firenena mikambana moa izany, saingy ny 80%n’ny mpampiasa angovo no mampiasa azy. Manimba fahasalamana izy io, ela fiasa, tsy mahafa-po ny vokatra omeny. Ireo angovo tsy azo avaozina sy mameno tsena ankehitriny toy ny Arona sy Solontany kosa anefa dia miha miakatra amin’izao fotoana izao ny fanjifana azy. Manimba tontolo iainana sy atimosifera tsy misy toa azy anefa ireo, raha ny fanoritsoritan’ny firenena mikambana azy hatrany. Etsy ankilan’izay dia vahaolana atolotr’ireo manam-pahaizana vahiny toa an-dry Françis Gromard sy Alexis Bonnel ny fifehezana ny angovo amin’ireo firenena misandratra na “pays émergent”. Izany hoe mbola tsy tafiditra anatin’ny sahan-dresaka akory izany ny firenena malagasy, raha ny fahitan’ireo manam-pahaizana hafa firenena azy. Ho an’ireo firenena misandratra sy mandroso na PED, hoy ny fanazavan’ireto manam-pahaizana ireto dia heverina ho voasokajy roa ny fifehezana ny angovo. Ao ny mpanjifa angovo manaraka toetr’andro ary ao ireo sehatra ivelan’ny tambazotra misy na “hors réseau”. Tsy mifanalavitra anefa ny vokatra azo amin’ireo fomba fiasa 2 ireo satria apetraka anaty fandaharan’asa momba ny fikirakirana angovo ny fiarovana tontolo iainana sy ny fahazoana vokatra aingana. Mbola mila fanitsiana na izany aza, hoy ny fanazavana, ny fisorohana izay fanimbana ara-tontolo iainana izay mihitsy eo amin’ny sehatra rehetra na indostria io na fitaterana na taotrano na famokarana herinaratra sy fampandrosoana toekarena ary sehatra hafa hita maso ilana politika manokana mifandraika aminy. Mbola tsy anaty sahan-dresaka, araka izany, i Madagasikara.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

18-août-2023

Ataovy laharam-pahamehana, araho drafitra nasionaly ny sehatry ny lavanila, noho izany harem-pirenena, hoy ny antoko politika Malagasy Miara-miainga na MMM!

Card image cap
18-août-2023

Ny 10 aogositra, herinandro katroka omaly no nilazan’ny Minisitry ny angovo sy ny akoran’afo Atoa Solo Andriamanampisoa fa tsy hisy intsony ny delestazy avy amin’ny fitsitsiana.

Card image cap
18-août-2023

Loharanon’aretina ny loto, mety hitarika hatramin’ny fahafatesana.Marika ny tsy fanajana lalàna sy fitsipika ihany koa ny fanipazana sy fanariana fako etsy sy eroa.

Card image cap
18-août-2023

Notorian’ny Lehiben’ny firaketan-draharahan’ny Fitsarana Rtoa Ellah Inham Herinatrehana sy ny mpitsara iray ho nanao fanalam-baraka,

Card image cap
18-août-2023

Tafiditra tanteraka ao anatin’ny vanim-potoanan’ny fialan-tsasatra lehibe isika ankehitriny.

Card image cap
18-août-2023

asa vonjy tavan’andron’ny fiadidiana ny kaominin’Antananarivo renivohitra hatrany ny mikasika ny fako be nisavovona

Card image cap