Ny orinasam-pifandraisana Rio Tinto QMM sy ny FMFP no tompon’antoka amin’izy io, raha ny fanazavana voaray, ka dia ho laharam-pahamehana ao anatin’izany ny fampiroboroboana ny fahaizana sy tekinika enti-miasa na «ingénierie». Mazava ho azy fa ireo mpiasa sy orinasa mpamatsy na mpiara-miombon’antoka no tena hisitraka ity fampiofanana ity. Hatramin’ny volana jona 2022 no efa tsara volavola izao tetikasa izao ka dia hirariana fa tena hanatsara kokoa ny vokatra sy fomba fiasa eo amin’izay tontolona fitrandrahana izay, hoy hatrany ny fanazavana.
J. Mirija
Ataovy laharam-pahamehana, araho drafitra nasionaly ny sehatry ny lavanila, noho izany harem-pirenena, hoy ny antoko politika Malagasy Miara-miainga na MMM!
Ny 10 aogositra, herinandro katroka omaly no nilazan’ny Minisitry ny angovo sy ny akoran’afo Atoa Solo Andriamanampisoa fa tsy hisy intsony ny delestazy avy amin’ny fitsitsiana.
Loharanon’aretina ny loto, mety hitarika hatramin’ny fahafatesana.Marika ny tsy fanajana lalàna sy fitsipika ihany koa ny fanipazana sy fanariana fako etsy sy eroa.
Notorian’ny Lehiben’ny firaketan-draharahan’ny Fitsarana Rtoa Ellah Inham Herinatrehana sy ny mpitsara iray ho nanao fanalam-baraka,
Tafiditra tanteraka ao anatin’ny vanim-potoanan’ny fialan-tsasatra lehibe isika ankehitriny.
asa vonjy tavan’andron’ny fiadidiana ny kaominin’Antananarivo renivohitra hatrany ny mikasika ny fako be nisavovona