airtel

Actualités

27-avril-2023

Actualités

Fanarenana ny takaitran’ny rivodoza Nahazo 1,5 tapitrisa dolara i Madagasikara

Sample post image

Misitraka ny famatsiam-bola “indemnité d’assurance aux cyclones tropicaux”, entina hiatrehana ny fiharenana noho ny takaitra navelan’ny rivodoza Freddy I Madagasikara.

27-avril-2023

Voalaza mantsy, fa maherin’ny 2 tapitrisa ireo olona lasibatr’io rivodoza io, raha ny fanadihadiana. Nahatratra 481 tapitrisa dolara kosa no tomban’ny fahapotehana ara-toekarena nateran, raha ny tomban’ny governemanta Malagasy. Tontosa omaly 26 aprily 2023 teny Anosy noho izany ny fanolorana tamin’ny fomba ofisialy ny taratasim-bola 1 203 909 USD ho an’ny governemanta malagasy, sy 300 977 USD ho an’ny an’ny PAM na ny Fandaharan’asa iraisam-pirenena momba ny fanjarian-tsakafo eto Madagasikara mba hoentina hanarenana ny fahavoazana. Distrika 13 nokasihin’ny rivodoza sy lasibatra no voalaza fa hisitraka ny tetikasa hampiasana ny famatsiam-bola, ka anisany ny any Atsimo Andrefana. Hampiasaina amin’ny asa takalo vola na « argent contre travail », hoentina manampy ara-tsakafo ny tokantrano marefo, ary hanajariana tanimbary 30 000ha tondraka sy simba tanteraka ny voly teo ambony io ka tafiditra amin’izany ny famatsiana masomboly sy zezika ho an’ny fambolem-bary,… Ho an’ny PAM manokana, dia isan’ny hampiasana ilay vola ny fiahiana ara-tsakafo ho an’olona 33 000 any amin’ny distrikan’I Nosy Varika sy Mananjary,... Raha ny tatitra, tao anatin’ny 2 taona, dia nisitraka famatsiana efatra mitentina 14 842 027 USD ny firenena malagasy ho fiatrehany ny loza ara-toetr’andro maro niatra taminy. Tanteraka izany amin’ny maha-mpikambana azy amin’ny rafitra ara-bola fiarovana amin'ny loza ateraky ny toetr'andro, iarahana amin’ny vondrona ARC (African Risk Capacity), hoy ny yfanamarihana. Nambaran’ny mpitondra etsy ankilany, fa tafiditra anatin’ny vinan’ny Filoham-pirenena hananan’ny Firenena faharetana ara-bola na “résilience financière” manoloana ny loza isan-karazany sy ny voka-dratsin'ny loza ara-toetr'andro izany io. Niseho tamin’ny endrika vitsivitsy moa ny fanaovan-tsonia omaly, ka nisy ny teo amin’ny ARC, ny CPGU (Cellule de Prévention et Gestion des Urgences) ary ny PAM, sy teo amin’ny governemanta, ny ARC ary ny PAM. Irariana mba tena ho amin’ny asa fanarenana sy fanavotana ny vahoaka tokoa no hampiasana ny vola ary tsy hotaingenana amin’ny sehoseho politika hoentina hanasongadinana tsangan’olona iray ao anatin’izao vanim-potoana akaiky fifidianana izao.
Toky R
 

Dans la même rubrique

18-août-2023

Ataovy laharam-pahamehana, araho drafitra nasionaly ny sehatry ny lavanila, noho izany harem-pirenena, hoy ny antoko politika Malagasy Miara-miainga na MMM!

Card image cap
18-août-2023

Ny 10 aogositra, herinandro katroka omaly no nilazan’ny Minisitry ny angovo sy ny akoran’afo Atoa Solo Andriamanampisoa fa tsy hisy intsony ny delestazy avy amin’ny fitsitsiana.

Card image cap
18-août-2023

Loharanon’aretina ny loto, mety hitarika hatramin’ny fahafatesana.Marika ny tsy fanajana lalàna sy fitsipika ihany koa ny fanipazana sy fanariana fako etsy sy eroa.

Card image cap
18-août-2023

Notorian’ny Lehiben’ny firaketan-draharahan’ny Fitsarana Rtoa Ellah Inham Herinatrehana sy ny mpitsara iray ho nanao fanalam-baraka,

Card image cap
18-août-2023

Tafiditra tanteraka ao anatin’ny vanim-potoanan’ny fialan-tsasatra lehibe isika ankehitriny.

Card image cap
18-août-2023

asa vonjy tavan’andron’ny fiadidiana ny kaominin’Antananarivo renivohitra hatrany ny mikasika ny fako be nisavovona

Card image cap