airtel

Actualités

07-août-2023

Actualités

Fandraisana ny atletan’ny Lalaon’ny Nosy

Sample post image

Tsy mbola voaloa ny volan’ireo Hotely…

07-août-2023

Tapa-bolana mahery kely sisa dia higadona ny fotoana hanatanterahana ny Lalaon’ny Nosy andiany faha-11 eto Madagasikara, izay hatao ny 25 aogositra hatramin’ny 03 septambra 2023. Zava-dehibe ny finiavana, ary voninahi-pirenena izany handray lalaon’ny Nosy izany. Betsaka kosa ireo lesoka na izany na tsy izany! Na mampanantena aza ny Fitondram-panjakana fa hatao avo folo heny no tany Maorisy ny kalitaon’ny fikarakarana sy ny fanomanana, dia miharihary hatrany ny petatoko niainga hatrany am-boalohany. Isan’ny lainga sy fampanantenana poakaty ny nilazana fa hatao eny amin’ny Tanamasoandro eny Imeritsiatosika ny Lalao, ary efa nisy mihitsy ny fampiderana makety. Tsy misy tanànan’ny lalao na “Village des jeux”, ka hampiantranoana amin’ny hotely hampiantranoana ny atleta. Raha ny fitarainan’ireo Hotely voasafidy mandray izany, nasaina nanao famandrihana 80 hatramin’ny 100% amin’ny efitrano ao aminy ireo Hotely voasafidy eto an-dRenivohitra mba hampiantrano ireo atleta. Manao famandrihana ny Fanjakana, ka voalaza fa tokony ho naloa hatramin’ny faran’ny jolay teo. Efa samy nampahafantatra ny faktioran’ny Hotely arakaraka ny efitrano efa voafandrika, kanefa hatramin’izao mbola tsy voaloa ny vola, hoy ny fitarainan’ireo Hotely. Tany amin’ny tapaky ny volana jona no efa nisy ny fitarainana voaray, momba ny fikasana hanery mivantana na ankolaka ireo mpandraharaha mba hampiantrano an’ireo atleta satria tsy maintsy misy toerana hampiantranoana azy ireo. Betsaka no roboka satria sitrany ahay. Vao avy nandalo krizy rahateo isika, ka anisan’izany ny sehatry ny fandraisam-bahiny, ka mihevitra fa mba hisy jinjany kely ity lalaon’ny Nosy ity. Miantso ny mba hisian’ny tena fandoavam-bola ara-dalàna izy ireo noho izany. Marihina fa mahatratra 2278 ireo atleta vahiny ho avy eto, raha toa ka 1000 eo ny antsika Malagasy. Mangataka antoka mazava sy fandoavana vola ara-potoana ireo mpisehatry ny raharaham-bahiny sao ho tratry ny fandrirarina ny fandoavana ny volany.
Toky R

 

 

Dans la même rubrique

18-août-2023

Ataovy laharam-pahamehana, araho drafitra nasionaly ny sehatry ny lavanila, noho izany harem-pirenena, hoy ny antoko politika Malagasy Miara-miainga na MMM!

Card image cap
18-août-2023

Ny 10 aogositra, herinandro katroka omaly no nilazan’ny Minisitry ny angovo sy ny akoran’afo Atoa Solo Andriamanampisoa fa tsy hisy intsony ny delestazy avy amin’ny fitsitsiana.

Card image cap
18-août-2023

Loharanon’aretina ny loto, mety hitarika hatramin’ny fahafatesana.Marika ny tsy fanajana lalàna sy fitsipika ihany koa ny fanipazana sy fanariana fako etsy sy eroa.

Card image cap
18-août-2023

Notorian’ny Lehiben’ny firaketan-draharahan’ny Fitsarana Rtoa Ellah Inham Herinatrehana sy ny mpitsara iray ho nanao fanalam-baraka,

Card image cap
18-août-2023

Tafiditra tanteraka ao anatin’ny vanim-potoanan’ny fialan-tsasatra lehibe isika ankehitriny.

Card image cap
18-août-2023

asa vonjy tavan’andron’ny fiadidiana ny kaominin’Antananarivo renivohitra hatrany ny mikasika ny fako be nisavovona

Card image cap