airtel

Actualités

09-août-2023

Actualités

Fandroahana mpibodo trano nosakana “Mpisolovava nitondra “gros bras” nanakana ny vadintany”

Sample post image

Nanao fanambarana tetsy Ampefiloha omaly ny solontenan’ny Birao nasionalin’ny fivondronan’ireo vadintany sy mpanao lavanty eto Madagasikara.

09-août-2023

Manoloana ny tranga fandroahana na “expulsion” teny Isotry ny 4 aogositra teo izay notronina mpisolovava milaza ireo vadintany ho manaotao foana dia maneho firaisankina izahay, hoy izy ireo, manoloana ny endrika fanakatsakanana rehetra ny vaditany manao ny asany. Misy lalana tsy maintsy arahana matoa atao ny fandroahana na “expulsion” amina toerana iray. Misy ny atao hoe “grosse” na didy raikitra, hoy izy ireo. Efa vita koa, faharoa manaraka izay, ny fampahafantarana ilay didim-pitsarana. Fahatelo ny mamerenana izany fampahafantarana didim-pitsarana izany izay natao tamin’io 4 aogositra io. Efa tsy manana zo ipetraka ao amin’ilay trano intsony ilay olona mibodo trano. Nidina teny an-toerana mihitsy moa ilay mpisolovava nefa tsy tokony ataony ny manakana anay tsy hanao ny asanay. Any anaty fitsarana no tokony iasany. Matoa izahay midina eny an-toerana dia maka ny alalana avy amin’ny lehiben’ny fampanoavana. Tsy miady amin’ny mpisolovava rehetra izahay sanatria fa misy mpisolovava sasany miseho ho ambonin’ny lalàna. Tsy fahefan’ny mpisolovava mihitsy ny midina manakana ary tena mampiasa sandry, nitondra “gros bras” na be sandry miaraka amin’ny zanany. Manana porofo amin’izany izahay. Gaga ihany angamba ny olona rehetra raha ny vavan’io mpisolovava io no avoaka. Efa azonay sary sy feo daholo moa. Didin’ny fitsarana an-tampony no eo am-pelantananay. Efa nahazoanay alalana tamin’ny lehiben’ny fampanoavana. Aoka tsy hifanambany fa samy mahay sy manaja ny asany, hoy hatrany ireto vaditany ireto. Araka ny fanazavan’ny mpiasa eo akaikin’ity olona nesorina ity izay mitondra ny anarana hoe Vanessa dia tsy nisy entana very tao amin’izy ireo fa ilay mpisolovava no nampirisika azy hilaza fa very vola 400 tapitrisa. Na vola 2 tapitrisa aza, hoy ity, mpiasa ity, mbola asain’ny mpampiasa ahy alaina anaty fitoeram-bola na “caisse”. Nilaza koa ity mpisolovava ity fa raha tsy manaraka ny baikony aho dia hiantsoany polisy. Niazakazaka nangataka hevitra tany amin’ny polisy aho dia nilaza ireo fa tsy misy idirany izany, hoy hatrany ity mpiasa nijoro vavolombelona ity.
J. Mirija
Légende: Ireo vaditany sy ilay mpiasa nijoro vavolombelona
 

Dans la même rubrique

18-août-2023

Ataovy laharam-pahamehana, araho drafitra nasionaly ny sehatry ny lavanila, noho izany harem-pirenena, hoy ny antoko politika Malagasy Miara-miainga na MMM!

Card image cap
18-août-2023

Ny 10 aogositra, herinandro katroka omaly no nilazan’ny Minisitry ny angovo sy ny akoran’afo Atoa Solo Andriamanampisoa fa tsy hisy intsony ny delestazy avy amin’ny fitsitsiana.

Card image cap
18-août-2023

Loharanon’aretina ny loto, mety hitarika hatramin’ny fahafatesana.Marika ny tsy fanajana lalàna sy fitsipika ihany koa ny fanipazana sy fanariana fako etsy sy eroa.

Card image cap
18-août-2023

Notorian’ny Lehiben’ny firaketan-draharahan’ny Fitsarana Rtoa Ellah Inham Herinatrehana sy ny mpitsara iray ho nanao fanalam-baraka,

Card image cap
18-août-2023

Tafiditra tanteraka ao anatin’ny vanim-potoanan’ny fialan-tsasatra lehibe isika ankehitriny.

Card image cap
18-août-2023

asa vonjy tavan’andron’ny fiadidiana ny kaominin’Antananarivo renivohitra hatrany ny mikasika ny fako be nisavovona

Card image cap