hahafahan'ny orinasa JIRAMA mandoa ny trosa ananan'ny orinasa TOZZI GREEN MADAGASCAR aminy, amin'ny famatsiana herinaratra. Nohazavaina fa haka endrika « Bons du Trésor Spéciaux -BTS io findramam-bola io, izany hoe: ny Fanjakana Malagasy amin'ny alalan'ny Minisiteran'ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola dia hampindrana vola amin'ny alalan'ny fandrotsahana BTS amin'ny JIRAMA (BTS JIRAMA 3) ary harotsaky ny JIRAMA amin'ny orinasa TOZZI GREEN indray izany BTS izany avy eo. Ao anatin'ny fifanaraham-pindramam-bola hifanaovan'ny Minisitera sy ny JIRAMA kosa no hovoafaritra ny fomba hamerenanity farany ny vola amin'ny Fanjakana Malagasy. Efa nisy moa ny fifampidinihana mialoha teo amin'ny JIRAMA sy ny TOZZI GREEN mikasika ny totalin'ny trosa tokony haloa amin'ny alalan'io BTS JIRAMA 3 io ka izay efa tapaka tao anatin'ny fifampidinihana ary voarakitra an-tsoratra ihany no ho tetibidin'ny BTS haloa amin'ny TOZZI GREEN, hoy ny Fanjakana. Niniana tsy nampahafantarina mazava ny sora-bola, fa raha ny voarakitry ny taratasin’ny TOZZI GREEN ny 3mai, dia mahatratra 250 miliara Ar no tsy voaloan’ny Jirama. Nilaza io orinasa io tamin’izany, fa taorian'ny fitakiana trosa maro nataony teo anivon'ny Jirama sy ny fitondrana mahefa rehetra ny volany mitentina 250 000 000 000Ar tsy voaloan'ny Jirama, amin'ny famokarana herinaratra amin'ny toby HYDELEC sy MAHITSY HYDRO, dia nanapa-kevitra nampiato ny famokarana herinaratra ao amin'ny tobim-pamokarana Sahanivotry, Maroantsetra ary Farahantsana Mahitsy, nanomboka 05 may 2023 amin'ny 06ora maraina. Nandefasana an’io hatramin’ny Filoham-pirenena, Praiminisitra, minisitry ny vola, minisitry ny angovo. Novoizina tamin’ny tambajotran-tserasera kosa tetsy andaniny fa tsaho io, saingy iray volana latsaka kely aty aoriana izany, dia miaiky ny Fanjakana fa tena misy ny trosabe tsy voaloa, ka antony iray mety mampahery vaika ny delestazy. Vola tsy vola no atontona ao amin’ny Jirama satria vao ny fiandohan’ity volana ity no nilaza ny Minisitry ny vola fa hatrany 1000 miliara Ar, tetibola ho ana minisitera 30 no namindrana, 441 miliara Ar ny vola nampindramina ny Jirama tao anatin’ny volana voalohan’ny 2023 fotsiny,…
Toky R
Ataovy laharam-pahamehana, araho drafitra nasionaly ny sehatry ny lavanila, noho izany harem-pirenena, hoy ny antoko politika Malagasy Miara-miainga na MMM!
Ny 10 aogositra, herinandro katroka omaly no nilazan’ny Minisitry ny angovo sy ny akoran’afo Atoa Solo Andriamanampisoa fa tsy hisy intsony ny delestazy avy amin’ny fitsitsiana.
Loharanon’aretina ny loto, mety hitarika hatramin’ny fahafatesana.Marika ny tsy fanajana lalàna sy fitsipika ihany koa ny fanipazana sy fanariana fako etsy sy eroa.
Notorian’ny Lehiben’ny firaketan-draharahan’ny Fitsarana Rtoa Ellah Inham Herinatrehana sy ny mpitsara iray ho nanao fanalam-baraka,
Tafiditra tanteraka ao anatin’ny vanim-potoanan’ny fialan-tsasatra lehibe isika ankehitriny.
asa vonjy tavan’andron’ny fiadidiana ny kaominin’Antananarivo renivohitra hatrany ny mikasika ny fako be nisavovona