airtel

Actualités

21-juin-2023

Actualités

Fetin’ny fahaleovantena Nosantarina omaly ny «Podium»

Sample post image

Ao anatin’ny fankalazana ny faha-63 taona niverenan’ny fahaleovantenan’i Madagasikara, hoy ny fampitam-baovao avy eo anivon’ny fiadidiana ny repoblika omaly,

21-juin-2023

dia hisy ny «podium» miaraka amin'ireo mpanakanto maro, isan-kariva. Nanomboka omaly talata moa izany, raha tsiahivina, ary tsy hifarana raha tsy ny 25 jona 2023 izao. Manomboka amin’ny 5 ora sy sasany hariva no fotoana anaovana azy io eo Anosy anoloan'ny TVM, hoy hatrany ny fampitam-baovao voaray. Handray anjara amin’izany ry Samoela, Rajery, Ry Ikala vazo, Jackie Randria sy Njara Marcel, Rebika, Ny Ainga tafaray, Matsubara, Eusebia, Princio, Mamy be. «Malagasy miray hina, Madagasikara mandroso!» kosa no lohahevitra. Na izany na tsy izany moa dia velom-panontaniana ihany ny mpanara-baovao ankehitriny hoe aiza ho aiza amin’izao ataon’ny fitondrana ankehitriny izao moa izany no mety hitondra izay firaisankinan’ny malagasy izay? Misy ohatra mba tena maha resy lahatra omen’ny fitondram-panjakana hametrahana izany marina ve? Mety hahatongavana amin’izany ve ohatra ny nametrahana an-terisetra ny «colisée», izay kolontsaina grika no sady tsy misy ifandraisany amin’ny tantaram-pirenena malagasy ao anatin’ny rovan’Antananarivo teo aloha izay novaina tsy an-kera ho rovan’i Madagasikara ankehitriny, hoy ny filazan’ireo siantifika azy ? Hitondra ho amin’izany firaisankina izany ve ny fanagadrana sesilany ireo tsy mitovy hevitra na firehana politika amin’ny fitondrana ankehitriny ? Fa maninona moa no ireo ihany no mpanakanto namaly ny antso handray anjara amin’ity lampihazo tamin’ity indray mitoraka ity ? Fa nankaiza ireo mpanakanto tena ankafizin’ny tanora amin’izao fotoana izao sy ireo tao anatin’ny rakitsary nandaniana ny filoham-pirenena ankehitriny ? Samy maminavina ny mety ho antony sady mametraka fanontaniana ny rehetra.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

18-août-2023

Ataovy laharam-pahamehana, araho drafitra nasionaly ny sehatry ny lavanila, noho izany harem-pirenena, hoy ny antoko politika Malagasy Miara-miainga na MMM!

Card image cap
18-août-2023

Ny 10 aogositra, herinandro katroka omaly no nilazan’ny Minisitry ny angovo sy ny akoran’afo Atoa Solo Andriamanampisoa fa tsy hisy intsony ny delestazy avy amin’ny fitsitsiana.

Card image cap
18-août-2023

Loharanon’aretina ny loto, mety hitarika hatramin’ny fahafatesana.Marika ny tsy fanajana lalàna sy fitsipika ihany koa ny fanipazana sy fanariana fako etsy sy eroa.

Card image cap
18-août-2023

Notorian’ny Lehiben’ny firaketan-draharahan’ny Fitsarana Rtoa Ellah Inham Herinatrehana sy ny mpitsara iray ho nanao fanalam-baraka,

Card image cap
18-août-2023

Tafiditra tanteraka ao anatin’ny vanim-potoanan’ny fialan-tsasatra lehibe isika ankehitriny.

Card image cap
18-août-2023

asa vonjy tavan’andron’ny fiadidiana ny kaominin’Antananarivo renivohitra hatrany ny mikasika ny fako be nisavovona

Card image cap