mpitandrina raha ny nambarany nandritra ny vavaka iraisam-pinoana notarihin’ny FJKM ny alahady lasa teo. Nahazo ny taratasy fanamarinana fa nisoratra anarana anefa izy raha ny nambarany. Nanatrika io vavaka iraisam-pinoana io ihany koa moa ny Filohan'ny CENI Atoa Dama Andrianarisedo sy ireo minisitra solotenan'ny governemanta ary antoko politika samihafa. Nanentana hatrany ny olom-pirenena hanamarina ny anarany ao anaty lisi-pifidianana moa ny Filohan'ny FFKM nandritra io fotoana io. Tsara ny manamarika fa efa nanambara ny hametraka andrimaso hanara-maso akaiky ny fifidianana ny FFKM, ary mandrisika ny olona hisoratra anarana sy hanao adidy amin’ny maha olom-pirenena. Anisan’ireo mpifidy 88 255 nambaran’ny CENI ny 13 jona lasa teo fa mbola tsy tafiditra anaty lisitra satria mbola tsy vita “saisie” noho ny antony maro samihafa ve ity Filoham-piangonana ity? Toe-javatra mety tsy niniana kanefa mety hanamafy sy hampitombo ny ahiahy amin’ny fikirakirana ny lisi-piifidianana ny tahaka izao. Ny Filohan’ny FFKM izay fantatra sy miavaka eto amin’ny firenena aza tratran’izany mainka fa ny olom-pirenena tsotra? Tsy vao sambany fa tamin’ny novambra 2019 nandritra ny fifidianana ben’ny tanàna dia tratry ny tranga mitovitovy amin’izao ihany koa ny Filohan’ny FJKM teo aloha Mpitandrina Lala Rasendrahasina. Tao anaty lisitra nandritra ny fifidianana depiote, saingy latsaka rehefa tong any fifidianana ben’ny tanàna. “Ny Lisitra tsy miova raha ny voalazan’ny tompon’andraikitry ny CENI, tokony ho ao anaty lisitra, ny mahagaga dia ny iray trano ao fa izaho ihany no latsaka”, hoy izy tamin’izany fotoana izany. Ny CENI ve no tsy matihanina sa izao no tonga amin’ilay hoe : mihinam-bary aza misy latsaka ? Ny ahiahy efa betsaka kanefa vao mainka lasa mampitombo izany ny tranga tahaka itony. Vola hatrany amin’ny 45,3 miliara Ar anefa no voalaza fa lany nentina nanatanterahana io fanavaozana manontolo ny lisi-pifidianana io, raha ny tatitry ny CENI ny 13 jona teo. Voalaza fa nentina nanavaozana ny fitaovana ara-informatika, karaman’ireo mpanisa mpifidy isan-tsokajiny no voalaza fa nandaniana an’io. 10 768 137 moa ny isan’ny mpifidy hatramin’ny 10 jona, ary amin’ny 20 jolay no hivoaka ny lisitra farany. Raha ny loharanom-baovao, dia hamory ireo mpisehatra ara-politika sy ara-pifidianana ny CENI ny 22 jona izao ka asa izay ho fisehony ?
Toky R
Ataovy laharam-pahamehana, araho drafitra nasionaly ny sehatry ny lavanila, noho izany harem-pirenena, hoy ny antoko politika Malagasy Miara-miainga na MMM!
Ny 10 aogositra, herinandro katroka omaly no nilazan’ny Minisitry ny angovo sy ny akoran’afo Atoa Solo Andriamanampisoa fa tsy hisy intsony ny delestazy avy amin’ny fitsitsiana.
Loharanon’aretina ny loto, mety hitarika hatramin’ny fahafatesana.Marika ny tsy fanajana lalàna sy fitsipika ihany koa ny fanipazana sy fanariana fako etsy sy eroa.
Notorian’ny Lehiben’ny firaketan-draharahan’ny Fitsarana Rtoa Ellah Inham Herinatrehana sy ny mpitsara iray ho nanao fanalam-baraka,
Tafiditra tanteraka ao anatin’ny vanim-potoanan’ny fialan-tsasatra lehibe isika ankehitriny.
asa vonjy tavan’andron’ny fiadidiana ny kaominin’Antananarivo renivohitra hatrany ny mikasika ny fako be nisavovona