dia fantatra fa resaka fisolokiana fotsiny ilay fampanantenana fanomezana tany nataon’ny fikambanana Leo Fahantrana (FILEFA). Tsy misy akory ilay tany 27 hekitara hozarain'ny fikambanana maimaim-poana ho an'ireo vahoaka an'arivony nampanantenainy izany. Olona manodidina ny 3760 isa avy ao amin'ny faritra Ivato, Paraky ary Andoharanofotsy noho izany no lasibatr’ity fisolokiana ity.Tafakatra 10 ireo olona voarohirohy amin’ity raharaha ity hatreto. Na izany aza mbola misy olona maromaro karohina koa. Mitentina 41.360.000 Ar eo ho eo kosa ny tomban'ny vola voasoloky. Natolotra fitsarana ny 16 may lasa teo izy 10 mianadahy mianaka ary samy notanana am-ponja vonjimaika avokoa miandry ny fitsarana azy. Tsiahivina moa fa anisan’ny novoizin’ny fikambanana ny mba hahafahan’ny Malagasy miady amin’ny fahantrana ka hialany amin’ny hofantrano kinanjo lainga avokoa no nafafiny nentiny nakana vola sy nambaboana ny fon’ny madinika.
Légende : Miandry datim-pitsarana anyam-ponja izy 10 mianadahy nanao ny afera maizina
Pati
Ataovy laharam-pahamehana, araho drafitra nasionaly ny sehatry ny lavanila, noho izany harem-pirenena, hoy ny antoko politika Malagasy Miara-miainga na MMM!
Ny 10 aogositra, herinandro katroka omaly no nilazan’ny Minisitry ny angovo sy ny akoran’afo Atoa Solo Andriamanampisoa fa tsy hisy intsony ny delestazy avy amin’ny fitsitsiana.
Loharanon’aretina ny loto, mety hitarika hatramin’ny fahafatesana.Marika ny tsy fanajana lalàna sy fitsipika ihany koa ny fanipazana sy fanariana fako etsy sy eroa.
Notorian’ny Lehiben’ny firaketan-draharahan’ny Fitsarana Rtoa Ellah Inham Herinatrehana sy ny mpitsara iray ho nanao fanalam-baraka,
Tafiditra tanteraka ao anatin’ny vanim-potoanan’ny fialan-tsasatra lehibe isika ankehitriny.
asa vonjy tavan’andron’ny fiadidiana ny kaominin’Antananarivo renivohitra hatrany ny mikasika ny fako be nisavovona