Lehilahy miisa efatra indray no nosamborin'ny Polisy miasa ao amin'ny Kaomisarian’ny Boriborintany voalohany Analakely afak’omaly 03 mey tokony ho tamin'ny 09 ora alina teny Ambodifilao. Raha araka ny fantatra dia nivarotra zava-mahadomelina mahery vaika izy ireo. Raha araka ny angom-baovao nataon'ny Polisy miasa ao Analakely dia misy lehilahy roa mivarotra "Cristal" eny Ambodifilao. Nanao ny vela-pandrika ny Polisy ka tratra teo am-pivarotana izany izy roalahy ireo. Mbola tratra teny amin'izy ireo ihany koa io zava-mahadomelina mahery vaika io izay nataony anatina mofo sy sachet plastika. Noentina avy hatrany teny amin'ny Kaomisaria ireto farany nanaovana fanadihadiana ka tamin'ny fakàna am-bavany azy ireo no nanononany ny namany iray Mpamatsy azy io "cristal" io. Nanomana paik'ady ny Polisy ka nomena fotoana ilay mpamongady . Tratra teny Faravohitra tao amina trano fandraisam-bahiny iray io namany io ary tratra niaraka taminy tao ihany koa ny fonosana "Cristal" maromaro miaraka amin'ireo fitaovana fampiasan'izy ireo hihinana an'io zava-mahadomelina io. Mbola niaraka tamin'ny namany iray izy tao anatin'io trano io. Ny polisin’ny SUT Tsaralalana moa no mandray an-tanana ny raharaha.
Pati
Ataovy laharam-pahamehana, araho drafitra nasionaly ny sehatry ny lavanila, noho izany harem-pirenena, hoy ny antoko politika Malagasy Miara-miainga na MMM!
Ny 10 aogositra, herinandro katroka omaly no nilazan’ny Minisitry ny angovo sy ny akoran’afo Atoa Solo Andriamanampisoa fa tsy hisy intsony ny delestazy avy amin’ny fitsitsiana.
Loharanon’aretina ny loto, mety hitarika hatramin’ny fahafatesana.Marika ny tsy fanajana lalàna sy fitsipika ihany koa ny fanipazana sy fanariana fako etsy sy eroa.
Notorian’ny Lehiben’ny firaketan-draharahan’ny Fitsarana Rtoa Ellah Inham Herinatrehana sy ny mpitsara iray ho nanao fanalam-baraka,
Tafiditra tanteraka ao anatin’ny vanim-potoanan’ny fialan-tsasatra lehibe isika ankehitriny.
asa vonjy tavan’andron’ny fiadidiana ny kaominin’Antananarivo renivohitra hatrany ny mikasika ny fako be nisavovona