Mifandimby hitarainan’ireo mpanjifa daholo anefa amin’izao fotoana izao ireo tambazotram-pifandraisan-davitra miisa 3, indrindra, eo amin’ny resaka aterineto na «internet». Mihitsoka ny fisosa na «connexion» ary misy fotoana aza tsy hita tampoka mihitsy. Ny an’ny sasany lazaina fa tolotra maharitra herinandro kanefa 2 na 3 andro dia lany, amin’ny tsy nisy hoe fandaniana be manao ahoana nataon’ny mpanjifa fa dia tena hoe voatroka fotsiny izao ny fahana nampidirinao, hoy hatrany ny santionan’ireo fitarainana.
J. Mirija
Ataovy laharam-pahamehana, araho drafitra nasionaly ny sehatry ny lavanila, noho izany harem-pirenena, hoy ny antoko politika Malagasy Miara-miainga na MMM!
Ny 10 aogositra, herinandro katroka omaly no nilazan’ny Minisitry ny angovo sy ny akoran’afo Atoa Solo Andriamanampisoa fa tsy hisy intsony ny delestazy avy amin’ny fitsitsiana.
Loharanon’aretina ny loto, mety hitarika hatramin’ny fahafatesana.Marika ny tsy fanajana lalàna sy fitsipika ihany koa ny fanipazana sy fanariana fako etsy sy eroa.
Notorian’ny Lehiben’ny firaketan-draharahan’ny Fitsarana Rtoa Ellah Inham Herinatrehana sy ny mpitsara iray ho nanao fanalam-baraka,
Tafiditra tanteraka ao anatin’ny vanim-potoanan’ny fialan-tsasatra lehibe isika ankehitriny.
asa vonjy tavan’andron’ny fiadidiana ny kaominin’Antananarivo renivohitra hatrany ny mikasika ny fako be nisavovona