airtel

Actualités

24-juil-2023

Actualités

Iray volana mialohan’ny lalaon’ny Nosy

Sample post image

Mitsikafona ny petatoko sy ny tandrametaka

24-juil-2023

Iray volana sisa dia higadona ny fotoana hanatanterahana ny Lalaon’ny Nosy andiany faha-11 eto Madagasikara, izay hatao ny 25 aogositra-03 septambra ho avy izao. Betsaka ny ahiahy sy ny adihevitra momba ny kitoatoa sy ny faharatsian’ny fanomanana, ary na ireo firenena vahiny mpandray anjara aza nisy nitondra fanakianana, indrindra fa taorian’ny nanafoanana ny taranja sasany. Ankehitriny, na milaza aza ny Fanjakana fa mandeha tsy misy tomika ny fanomanana, dia betsaka ny fambara manaporofo ny kitoatoa. Ohatra maromaro no manaporofo an’io. Ny nilazana tany am-boalohany fa hanaovana ny Lalaon’ny Nosy any amin’ny Tanamasoandro sy nampanantenana fotodrafitrasa maro aloha dia efa endriky ny petatoko sy fampanantenana poakaty ary tsy fahaiza-mitantana ; ny tsy nisian’ny tanànan’ny lalao izay isan’ny làlan-tsain’ny lalaon’ny Nosy dia efa fihemorana,… Ny pitsopitsony maro feno kisampontsampona sy tsy fahatomombanana. Ny an’olona manomana Lalaon’ny Nosy izany tena an-taonany fa ny antsika dia eeeee ! Ny 19 may, nisy ny lanonana nipoapoaka nanaovana ny fampahafantarana amin'ny fomba ofisialy ny sary famantarana sy ny hira fanevan'ny Lalaon'ny Nosy 2023. Niteraka adihevitra sy kiana mivaivay ny petatoko tao anatin’izany, toy ilay hira faneva izay tena betsaka ny fahasamponana tao anatin’ny raki-tsariny. Taiza no nisy hoe: ny tonony “Masoandro miposaka avy any any Antsinanana”, dia ny sary mivoaka “Masoandro milentika any amin’ny tapany andrefan’I Madagasikara miaraka amin’ny baobab”? Lefy teo ilay hira faneva, ka nasiana fanavaozana tanteraka, naverina ny “tournage”, izay midika avy hatrany hoe: kitoatoa ny teo aloha. Ny Filoham-pirenena izy tenany mihitsy anefa no nilaza fa tena misy dian-tànany iny hira faneva iny. Ny 16 jolay teo, nilaza indray I Andry Rajoelina fa “Ho vita, araka ny tokony ho izy, ny lalaon'ny Nosy hatao eto Madagasikara. Hatao avo folo heny mihoatra amin'ny tao Maorisy ny hatsaran'ny fandraisana sy fikarakarana rehetra”. Tsy niandry ela, fa tamin’ny herinandro lasa teo, nanambara indray ireo Federasionina rehetra miantsoroka ny taranja hifaninanana fa mamitaka ny Filoham-pirenena ny Minisitry ny Tanora sy Fanatajahantena raha milaza fa mandeha araky ny tokony ho izy ny fampivondronana sy fikarakarana ireo atleta Malagasy izay hiatrika ny lalaon'ny Nosy amin'ny volana aogositra, hoy ireo Federasionina. Notsindrin'izy ireo fa tsy ara-dalàna na ny sakafo na ny toerana hanaovan'izy ireo fampivondronana. Nahazo medaly 235 isika tamin’ny 2007 ka 100 ny volamena, 79 volafotsy, 74 alimo ka tokony handresy an’ireo amin’ity 2023 ity. Ny olona mantsy rehefa manomana lalaon’ny Nosy tena an-taonany fa ny an’ity Fitondrana ity tena miharihary ny tandrametaka. Tsy maniry ratsy ho an’ny firenena sy ny ekipam-pirenena fa mahakely finoana ny hahazoana vokatra tsara kokoa noho ny tany aloha raha izao zava-miseho izao, raha tsy hoe: hisy angaha ny fahagagana!
Toky R
 

Dans la même rubrique

18-août-2023

Ataovy laharam-pahamehana, araho drafitra nasionaly ny sehatry ny lavanila, noho izany harem-pirenena, hoy ny antoko politika Malagasy Miara-miainga na MMM!

Card image cap
18-août-2023

Ny 10 aogositra, herinandro katroka omaly no nilazan’ny Minisitry ny angovo sy ny akoran’afo Atoa Solo Andriamanampisoa fa tsy hisy intsony ny delestazy avy amin’ny fitsitsiana.

Card image cap
18-août-2023

Loharanon’aretina ny loto, mety hitarika hatramin’ny fahafatesana.Marika ny tsy fanajana lalàna sy fitsipika ihany koa ny fanipazana sy fanariana fako etsy sy eroa.

Card image cap
18-août-2023

Notorian’ny Lehiben’ny firaketan-draharahan’ny Fitsarana Rtoa Ellah Inham Herinatrehana sy ny mpitsara iray ho nanao fanalam-baraka,

Card image cap
18-août-2023

Tafiditra tanteraka ao anatin’ny vanim-potoanan’ny fialan-tsasatra lehibe isika ankehitriny.

Card image cap
18-août-2023

asa vonjy tavan’andron’ny fiadidiana ny kaominin’Antananarivo renivohitra hatrany ny mikasika ny fako be nisavovona

Card image cap