Somary sady mahatsikaiky ihany no mampametra-panontaniana maro ny filazana fikarohana navoakan’ny avy eo anivon’ny minisiteran’ny filaminam-bahoaka omaly. Kaomiseran’ny polisy, kilasy voalohany, «3ème échelon», I.M : 268.573, lehiben’ny sampan-draharaham-paritra momba ny fanaraha-maso sy loharanom-baovao mikasika ny fifindra-monina sy fitsoaham-ponenana ao Alaotra Mangoro antsoina hoe Randrianiaina Stanislas no nanaovana izany omaly. Araka ny fampahafantarana voasoratra moa dia ny 12 febroary 2021 izy no efa tsy hita fa niala tamin’ny andraikiny na nanao «abandon de poste» ary tsy fantatra koa ny anton’izany. Aty amin’ny 12 jona 2023 izany vao nivoaka ny filazana fikarohana azy. Izay mihitsy ve ilay fomba fiasa sa inona no anton’ilay fikarohana ho aty amin’ny 2 taona mahery vao atao? Fa angaha moa tsy hoe rehefa tsy hita 48 ora ny olona iray no ambara fa tsy hita popoka na very ka karohina amin’izay? Santionan’ny fanontaniana manitikitika ny mpanara-baovao izany ka dia miandry ny valinteny sy fanazavana avy amin’ny tomponandraikitra moa izany ny rehetra.
J. Mirija
Ataovy laharam-pahamehana, araho drafitra nasionaly ny sehatry ny lavanila, noho izany harem-pirenena, hoy ny antoko politika Malagasy Miara-miainga na MMM!
Ny 10 aogositra, herinandro katroka omaly no nilazan’ny Minisitry ny angovo sy ny akoran’afo Atoa Solo Andriamanampisoa fa tsy hisy intsony ny delestazy avy amin’ny fitsitsiana.
Loharanon’aretina ny loto, mety hitarika hatramin’ny fahafatesana.Marika ny tsy fanajana lalàna sy fitsipika ihany koa ny fanipazana sy fanariana fako etsy sy eroa.
Notorian’ny Lehiben’ny firaketan-draharahan’ny Fitsarana Rtoa Ellah Inham Herinatrehana sy ny mpitsara iray ho nanao fanalam-baraka,
Tafiditra tanteraka ao anatin’ny vanim-potoanan’ny fialan-tsasatra lehibe isika ankehitriny.
asa vonjy tavan’andron’ny fiadidiana ny kaominin’Antananarivo renivohitra hatrany ny mikasika ny fako be nisavovona