La Grande braderie de Madagascar. Etsy amin’ny kianjan’i Barea Mahamasina no hanatanterahana izany ny 01 ka hatramin’ny 04 Jona ho avy izao, ahitana ireo karazana kojakoja rehetra ilaina hiatrehana ny fety sy azo hatao fanomezana. Nambaran-dRamanantsoa Harilala, tompon’andraikitra voalohany mikarakara izany fa hisy ny fihenambidy 15% amin’ireo karazan’entana hamidin’ireo tranoeva miisa 100 izay ho avy handray anjara. Anisan’ireny ny fitafiana, ny finday, ny kojakojana ilaina momba ny fiara, ny kojakojan-dakozia….Iaraha-mahalala hoy izy ny fiakaran’ny vidim-piainana sy ny faharefoan’ny fahefa-mividin’ny Malagasy ka ho hentitra mihitsy ny fanaraha-maso io fihenam-bidy io. Nomarihiny manokana moa fa hisy ny toerana hahafahana mampilalao ny ankizy sy hisakafoanana ho an’ireo izay mila izany.
Pati
Ataovy laharam-pahamehana, araho drafitra nasionaly ny sehatry ny lavanila, noho izany harem-pirenena, hoy ny antoko politika Malagasy Miara-miainga na MMM!
Ny 10 aogositra, herinandro katroka omaly no nilazan’ny Minisitry ny angovo sy ny akoran’afo Atoa Solo Andriamanampisoa fa tsy hisy intsony ny delestazy avy amin’ny fitsitsiana.
Loharanon’aretina ny loto, mety hitarika hatramin’ny fahafatesana.Marika ny tsy fanajana lalàna sy fitsipika ihany koa ny fanipazana sy fanariana fako etsy sy eroa.
Notorian’ny Lehiben’ny firaketan-draharahan’ny Fitsarana Rtoa Ellah Inham Herinatrehana sy ny mpitsara iray ho nanao fanalam-baraka,
Tafiditra tanteraka ao anatin’ny vanim-potoanan’ny fialan-tsasatra lehibe isika ankehitriny.
asa vonjy tavan’andron’ny fiadidiana ny kaominin’Antananarivo renivohitra hatrany ny mikasika ny fako be nisavovona