ny vaomiera misahana ny harena an-kibon'ny tany otronina solombavambahoaka maro ny lalàna vaovao momba ny harena an-kibon’ny tany. Tao anatin’ny valan-dresaka nataon’ny Minisitry ny harena an-kibon’ny tany Atoa Rakotomalala Herindrainy Olivier no nilazany fa nahafinaritra ny ady hevitra ary tsy nisy faneriterena. Teboka maro, hoy izy, no tsy maintsy hasiam-panitsiana amin'ity lalàna ity noho izy efa tsy mifanaraka amin'ny toetrandro intsony satria tamin'ny taona 2005 ny lalàna farany ampiasaina amin'izao. Nohamafisiny tamin’izany ilay fampiakarana ny tahan'ny tamberim-bidy, raha 2% izany teo aloha heverina ny hampiakatra azy 5%. Jerena manokana ao anatin'ity lalàna ity koa ny tamberin'andraikitra hataon'ny orinasa mpitrandraka, ny fitsinjovana ny tontolo Iainana, ny resaka fandraisan’anjaran'ny mpitrandraka harena an-kibon'ny tany amin'ny resaka sosialy ary ny fanamafisana ny fivondronan'ny mpitrandraka. Ahena ny velaran-tany azon'ny mpintrandraka iasana "permis de recherche". Raha 10 000 km2 izany teo aloha dia ny antsasak’io na 5 000 km2 sisa no homena azy ireo. Toy izay koa my fanomezana taratasy fahazoan-dalana hitrandraka. Raha 1 000 km2 izany teo aloha dia hatao 500 km2 sisa. Tanjona ny ampisitrahana ny malagasy rehetra tombotsoa avy amin'ny fitrandrahana. Nolazaina fa homena lanja manokana ao anatin'ity lalàna vaovao ity koa ny vondrom-paritra hitsinjaram-pahefana amin'ny alalan'ny fanomezan-danja ireo toerana fanaovany fomba netim-paharazana. Ny zoma izao no voalaza fa handalo fanapahana io lalàna io. Ao anatin’ny fanovana ankehitriny raha ho voatazona amin’io, zara raha niakatra ny tamberiny ho an’ny Vondrom-bahoaka hitsinjaram-pahefana na CTD izay 1,4% lasa 1,5% izany hoe: 7% monja ny tahan’ny fiakarana. Raha 0,6% kosa ny an’ny Fanjakana foibe dia niakatra ho 3,5% izany hoe: niakatra ho 483%. “Ilay 1,5% no zarain’ny faritany, faritra, kaominina,… izany hoe: samy manana 0,5%. Andrazana ny fanapahan-kevitra farany hoe: hojerena io lafiny nampiady hevitra io sa hanao ahoana?
Toky R
Ataovy laharam-pahamehana, araho drafitra nasionaly ny sehatry ny lavanila, noho izany harem-pirenena, hoy ny antoko politika Malagasy Miara-miainga na MMM!
Ny 10 aogositra, herinandro katroka omaly no nilazan’ny Minisitry ny angovo sy ny akoran’afo Atoa Solo Andriamanampisoa fa tsy hisy intsony ny delestazy avy amin’ny fitsitsiana.
Loharanon’aretina ny loto, mety hitarika hatramin’ny fahafatesana.Marika ny tsy fanajana lalàna sy fitsipika ihany koa ny fanipazana sy fanariana fako etsy sy eroa.
Notorian’ny Lehiben’ny firaketan-draharahan’ny Fitsarana Rtoa Ellah Inham Herinatrehana sy ny mpitsara iray ho nanao fanalam-baraka,
Tafiditra tanteraka ao anatin’ny vanim-potoanan’ny fialan-tsasatra lehibe isika ankehitriny.
asa vonjy tavan’andron’ny fiadidiana ny kaominin’Antananarivo renivohitra hatrany ny mikasika ny fako be nisavovona