valaketraka tanteraka ny vahoakan’i Sambirano, maty fiainany tantsaha maro. Tsy misy vola ireo mpanangom-bokatra fa nihitsoka amin’ny lavanila tamin’ny “campagne” farany 2022-2023, hany ka tsy misy hampiasaina. Mitaraina ireo mpisehatra satria tena nitotongana tanteraka ny sehatry ny lavanila, indrindra fa tato anatin’ny 4 taona farany. Raha fampiakarana avo 3 heny no nampanantenaina tamin’ny kabary politikan’ny mpitondra ankehitriny, dia fitotonganana tsy mbola fahita hatramin’izay no miseho. Raha manodidina ny 1 tapitrisa ny kilaon’ny lavanila matohy efa vonona haondrana tany amin’ny 2017-2018, nantenaina fa ho any amin’ny 3tapitrisa Ar, dia nitotongana any amin’ny 2 hatramin’ny 3 hetsy, ary ny mando aza dia misy hatrany amin’ny 2 alina Ar,… Ny lavanila anefa no tena miantoka ny fiainan’ny ankamaroan’ny fiainan’ny olona any amin’ny tapany avaratr’i ny Nosy iny, kanefa dia toa tapi-dalan-kaleha tahaka ny valala voatango ankehitriny.
Toky R
Ataovy laharam-pahamehana, araho drafitra nasionaly ny sehatry ny lavanila, noho izany harem-pirenena, hoy ny antoko politika Malagasy Miara-miainga na MMM!
Ny 10 aogositra, herinandro katroka omaly no nilazan’ny Minisitry ny angovo sy ny akoran’afo Atoa Solo Andriamanampisoa fa tsy hisy intsony ny delestazy avy amin’ny fitsitsiana.
Loharanon’aretina ny loto, mety hitarika hatramin’ny fahafatesana.Marika ny tsy fanajana lalàna sy fitsipika ihany koa ny fanipazana sy fanariana fako etsy sy eroa.
Notorian’ny Lehiben’ny firaketan-draharahan’ny Fitsarana Rtoa Ellah Inham Herinatrehana sy ny mpitsara iray ho nanao fanalam-baraka,
Tafiditra tanteraka ao anatin’ny vanim-potoanan’ny fialan-tsasatra lehibe isika ankehitriny.
asa vonjy tavan’andron’ny fiadidiana ny kaominin’Antananarivo renivohitra hatrany ny mikasika ny fako be nisavovona