ny alarobia 9 aogositra, raha ny fampitam-baovao voaray omaly. Lehilahy iray no voalaza fa nalahelo fa nasandratra ho mpanjaka ny zokiny tany amin'ny kaominin'Ambodirano. Noho ny fialonany azy dia nolerany tamin'ny antsy io rahalahiny io na dia efa niezaka nandositra. Nindaosin'ny fahafatesana tany amin'ny hopitaly ny alahady teo noho ny ra very be loatra tao aminy ihany, noho izany ity lehilahy voatsatoka antsy ity. Ny alatsinainy teo no tra-tehaky ny zandary notarihin'ny CB ilay nahavanon-doza rehefa niafina tany amin'ny kaominin'i Manambidala, hoy hatrany ny fampitam-baovao voaray.
J. Mirija
Ataovy laharam-pahamehana, araho drafitra nasionaly ny sehatry ny lavanila, noho izany harem-pirenena, hoy ny antoko politika Malagasy Miara-miainga na MMM!
Ny 10 aogositra, herinandro katroka omaly no nilazan’ny Minisitry ny angovo sy ny akoran’afo Atoa Solo Andriamanampisoa fa tsy hisy intsony ny delestazy avy amin’ny fitsitsiana.
Loharanon’aretina ny loto, mety hitarika hatramin’ny fahafatesana.Marika ny tsy fanajana lalàna sy fitsipika ihany koa ny fanipazana sy fanariana fako etsy sy eroa.
Notorian’ny Lehiben’ny firaketan-draharahan’ny Fitsarana Rtoa Ellah Inham Herinatrehana sy ny mpitsara iray ho nanao fanalam-baraka,
Tafiditra tanteraka ao anatin’ny vanim-potoanan’ny fialan-tsasatra lehibe isika ankehitriny.
asa vonjy tavan’andron’ny fiadidiana ny kaominin’Antananarivo renivohitra hatrany ny mikasika ny fako be nisavovona