airtel

Actualités

05-mai-2023

Actualités

Leo delestazy ny vahoaka Manomboka ny fidinana an-dalambe sy sakan-dàlana

Sample post image

Manomboka maneho an-karihary ny fahasosorany noho ny delestazy lavareny sy efa ho lava indray ny vahoaka. Raikitra ny grevy teny Andranomena omaly takariva manodidina ny tamin’ny 7ora.

05-mai-2023

Raha teny Itaosy ny fahita hatrizay, dia efa toeran-kafa indray izany izao, raha iny niseho omaly teto Antananarivo iny. Tsy finiavana hisintona lakolosy fa tena leo fahatapahan-jiro ny olona satria voalaza fa nanomboka tamin’ny 10 ora maraina no efa tapaka, saingy efa ho adin’ny folo tsy niverina ihany. Vokany, nanakan-dàlana sy nandoro kodiarana ny olona, hany ka tapaka ny làlana niazo an’Ambohimanarina sy Antehiroka iny. Tena henjana ny fiantraikan’ny fahatapahana amin’izao, mikolay ny sarambabem-bahoaka, indrindra fa ireo mandraharaha sy mivelona amin’ny asa mila herinaratra. Raha tokony ho adin’ny 8 eo ny ora hiasana sy hamokarana, dia mihena ho any amin’ny ora efatra, hany ka mihena ho azy ny vola miditra. Tsy misy fiantraikany any amin’ny faktiora anefa ny fahatapahana, ny Jirama manamafy ny fitakiam-bola sy mandrahona mihitsy aza fa tsy hitsitsy amin’ny fanapahana herinaratra. Izay orinasa mba manana fahafahana hividy milina mpihary herinaratra dia mividy, saingy mitombo ny mason-karena, ny tsy afa-manoatra miaritra, ny sarambabem-bahoaka moa hatry ny ela no nampizakaina ny mafaitran’ny delestazy,… Na eto an-dRenivohitra na any amin’ny faritra tsy misy tsy mikaikaika, tsy arakaraka ilay fanambaniana ny mpitondra nifanesy fa tsy nahavita afatsy 400MGW fa rehefa ingahy Rajoelina no tonga eo dia hanao 400MGW amin’ny anarany manokana ao anatin’ny 5 taona. Tapitra izao ny dimy taona ka mby aiza ny vokatra? Nihena sa nitombo ny delestazy? Aiza ilay kabary tao amin’ny Lapan’ny Fanatanjahantena Mahamasina tamin’ny 01 aogositra 2018 hoe: hazavana sa sénat? Tsy misy intsony ve ny delestazy? Mandry fahalemana ve ny vahoaka? Manana asa ve ny tanora? Mbola tsaroan’ny Filoha ankehitriny ve ireny vava be nataony ireny? Mbola ho resy lahatra sy ho voafitaka amin’ilay fampanantenana fa amin’ny 2027-2028 indray ve ny olona? Mbola hadika ho misy ambadika politika ve izao fahatezeram-bahoaka miharihary izao ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

18-août-2023

Ataovy laharam-pahamehana, araho drafitra nasionaly ny sehatry ny lavanila, noho izany harem-pirenena, hoy ny antoko politika Malagasy Miara-miainga na MMM!

Card image cap
18-août-2023

Ny 10 aogositra, herinandro katroka omaly no nilazan’ny Minisitry ny angovo sy ny akoran’afo Atoa Solo Andriamanampisoa fa tsy hisy intsony ny delestazy avy amin’ny fitsitsiana.

Card image cap
18-août-2023

Loharanon’aretina ny loto, mety hitarika hatramin’ny fahafatesana.Marika ny tsy fanajana lalàna sy fitsipika ihany koa ny fanipazana sy fanariana fako etsy sy eroa.

Card image cap
18-août-2023

Notorian’ny Lehiben’ny firaketan-draharahan’ny Fitsarana Rtoa Ellah Inham Herinatrehana sy ny mpitsara iray ho nanao fanalam-baraka,

Card image cap
18-août-2023

Tafiditra tanteraka ao anatin’ny vanim-potoanan’ny fialan-tsasatra lehibe isika ankehitriny.

Card image cap
18-août-2023

asa vonjy tavan’andron’ny fiadidiana ny kaominin’Antananarivo renivohitra hatrany ny mikasika ny fako be nisavovona

Card image cap