airtel

Actualités

27-juin-2023

Actualités

Minisitry ny fitsarana “Ara-dalàna ny fandefasana an’i Philippe François any Frantsa”

Sample post image

Ny faran’ny herinandro lasa teo no navotsotra noho ny fifanarahana teo amin’ny Fitondrana Malagasy sy ny Fitondrana Frantsay ilay Kolonely Frantsay misotro ronono Philippe François,

27-juin-2023

izay nogadraina teny Tsiafahy nanomboka ny 21 jolay 2021. Iray tamin’ireo notondroin’ny Fitondrana ho nikasa hamono an’I Andry Rajoelina sy hanongam-panjakana. Nitondra fanazavana ny Minisitry ny Fitsarana sady mpitahiry ny fitombokasem-panjakana fa ny lalàna 2006-015 tamin’ny 6 janoary janoary no miresaka ny fahafahan’ny voafonja iray mangataka ny hifindra amin’ny toeran-kafa hanao ny sazy. “Ny voafonja voasazy dia mahazo manao fangatahana toeram-pamonjana ao anatin’ny fitaleavam-paritra misy azy ihany, na fitalevana hafa mihitsy. “Voafehin’ny “coopération judiciaire internationale” na fifanarahana ara-pitsarana iraisam-pirenena kosa ny fahafahan’ny voafonja iray mangataka hisazy any amin’ny fireneny, afaka manao fangatahana mba hanohy ny famonjena azy any amin’ny firenena nihaviany. Afaka manao tahaka izany ihany koa ny Malagasy voaheloka sy voafonja any ivelany. Ny fepetra dia ny fisian’io fifanarahana io”, hoy Rtoa Landy Mbolatiana Randriamanantenasoa. Ny 21 jona 2023 no nandraisana ny fanapahan-kevitra mikasika an’I Philippe François, ka “transfèrment” no nangatahany satria misy ny fifanarahana ara-pitsarana eo amin’ny Repoblikan’I Madagasikara sy ny Repoblika Frantsay, hoy hatrany ny fanazavan’io Minisitra io. Ny 4 jona 1973 no nisian’izany fifanarahana ara-pitsarana izany, ka ny andininy faha-8 amin’io no mamaritra ny fahafahana mangataka fifindrana hisazy any Frantsa, ka nanome fahafahana azy hanao izany, mba hanohy ny sazy any amin’ny firenena, hoy hatrany ny fanazavana. “Tsy midika fa novotsorana, fa fanohizana ilay sazy any amin’ilay toerana nihavian’ilay olona. Voaheloky ny fitsarana 10 taona asa an-terivozona an-tranomaizina izy, ka izay no tohizany any Lafrantsa”, hoy ity Minisitra ity. Izay ny fanazavany ara-teknika, fa ara-politika dia ahiana ho votsotra avy hatrany io teratany Frantsay io vao tonga any amin’ny taniny fa tsy hisazy izany. Efa nisy ilay teratany Frantsay antsoina hoe: Houcine Arfa, nifandray tamin’ny tao an-dapa tamin’ny fitondrana Rajoelina, ary notondroiina ho nikasa hanongam-panjakana. Nogadraina teny Antanimora, saingy tafatsoaka rehefa voalaza fa hoentina hotsaboina. Tafavoaka tonga tany Frantsa, ary nanao ampamoaka goavana avy eo, nolazaina fa nomeny 70 000Euros hatramin’ny Minisitry ny fitsarana. Nangataka fiaraha-miasa ara-pitsarana ny Fitondrana Malagasy tamin’izany fa tsy nahovoka fa ity Frantsay ity indray aza no nanao valan-dresaka maromaro nanaratsy ny Fitondrana Malagasy. Ny Frantsay rahateo araka ny lalàna misy eo aminy dia tsy handefa ny terataniny sy olona mizaka ny zom-pirenena hogadraina na hotsaina amin’ny firenena hafa na hanaovana “extradition” izany. Mbola baraingo kosa ny tambin’ny famotsorana an’I Philippe François hoe: fanolorana an-dry Fanirisoa Ernaivo sy ny tariny ho an’ny Fitondrana Rajoelina tokoa ve? Sa kosa fanohanana ara-politika sy ara-pifidianana?
Toky R
 

Dans la même rubrique

18-août-2023

Ataovy laharam-pahamehana, araho drafitra nasionaly ny sehatry ny lavanila, noho izany harem-pirenena, hoy ny antoko politika Malagasy Miara-miainga na MMM!

Card image cap
18-août-2023

Ny 10 aogositra, herinandro katroka omaly no nilazan’ny Minisitry ny angovo sy ny akoran’afo Atoa Solo Andriamanampisoa fa tsy hisy intsony ny delestazy avy amin’ny fitsitsiana.

Card image cap
18-août-2023

Loharanon’aretina ny loto, mety hitarika hatramin’ny fahafatesana.Marika ny tsy fanajana lalàna sy fitsipika ihany koa ny fanipazana sy fanariana fako etsy sy eroa.

Card image cap
18-août-2023

Notorian’ny Lehiben’ny firaketan-draharahan’ny Fitsarana Rtoa Ellah Inham Herinatrehana sy ny mpitsara iray ho nanao fanalam-baraka,

Card image cap
18-août-2023

Tafiditra tanteraka ao anatin’ny vanim-potoanan’ny fialan-tsasatra lehibe isika ankehitriny.

Card image cap
18-août-2023

asa vonjy tavan’andron’ny fiadidiana ny kaominin’Antananarivo renivohitra hatrany ny mikasika ny fako be nisavovona

Card image cap