raha samy nieritreritra ny rehetra fa olana niserana ihany sisa ilay tamin’ny alarobia teo, hay nivadika ho tantara mitohy indray. Nanamafy indray ny Jirama omaly, fa misy fikorontanana ny famatsiana herinaratra eto amin'ny Tambazotra Iraisan'Antananarivo noho ny antony maromaro. Anisan’io ny fihenan'ny tosaky ny rano ao Andekaleka izay latsaka ambany tokoa raha mihoatra ny tamin'ny taona lasa. 31m3 isan-tsegondra izany amin'izao fotoana izao raha toa ka 46m3 isan-tsegondra tamin'ny volana jona 2022, fahataran'ny famatsiana solika mavesatra avy any Toamasina nohonny fahatapahan'ny fifamoivoizana teo Mandraka ny alarobia teo. Noho izany, voatery miroso amin'ny fahatapahan-jiro mifandimby eto amin'ny Tambazotra Iraisan'Antananarivo arak'izany ny Jirama amin'izao fotoana izao, hoy ny Jirama omaly, izay nanamarika fa ny fahatapahan-jiro dia misy fiantraikany ihany koa amin'ny famatsian-drano noho ireo tobim-pamokaran-drano sy foibe mpampiaka-tosika surpresseur miankina amin'ny herinaratra. Miverina amin’ny laoniny indray izany ny fahatapahan-jiro rehefa mba nisy tsirim-panantenana ny tsy fisiana fahatapahana be loatra tao anatin’ny herinandro teo ho eo. Ny ririnina misy foana isan-taona, ary tao anatin’izay herinandro mba tsy dia tapaka firy izay dia heverina fa tsy dia nisy fahasamihafana be ny tosiky ny rano. Afaka manome antoka ve izany ny Jirama fa hiverina amin’ny laoniny taorian’ny fiverenan’ny fifamoivoizana amin’ny laoniny sa dia seraseran’ny fialana bala sy fitadiavana izay hanilihana hatrany? Betsaka ny fantiantoky ny orinasa sy seha-pihariana maro mampiasa herinaratra. Maro ny orinasa miakatra ny fandaniana satria voatery mampiasa milina mpihary herinaratra manokana, ary izay tsy manana fahafahana amin’izany dia mihena ny famokarana. Ny faktiora etsy andaniny tena tsy misy fiovana, kanefa teo aloha teo dia nahatratra hatrany amin’ny 12 ora isan’andro ny fahatapahana. Efa karazana anjara birikin’ny vahoaka amin’ny fanarenana ny Jirama izany, kanefa mbola izao ihany. Mila miroso haingana amin’ny angovo azo havaozina ary tena mila asa fa tsy resaka ambony latabatra fotsiny ihany, toy ny 400MW mandritra ny 5 taona an’ingahy Andry Rajoelina.
Toky R
Ataovy laharam-pahamehana, araho drafitra nasionaly ny sehatry ny lavanila, noho izany harem-pirenena, hoy ny antoko politika Malagasy Miara-miainga na MMM!
Ny 10 aogositra, herinandro katroka omaly no nilazan’ny Minisitry ny angovo sy ny akoran’afo Atoa Solo Andriamanampisoa fa tsy hisy intsony ny delestazy avy amin’ny fitsitsiana.
Loharanon’aretina ny loto, mety hitarika hatramin’ny fahafatesana.Marika ny tsy fanajana lalàna sy fitsipika ihany koa ny fanipazana sy fanariana fako etsy sy eroa.
Notorian’ny Lehiben’ny firaketan-draharahan’ny Fitsarana Rtoa Ellah Inham Herinatrehana sy ny mpitsara iray ho nanao fanalam-baraka,
Tafiditra tanteraka ao anatin’ny vanim-potoanan’ny fialan-tsasatra lehibe isika ankehitriny.
asa vonjy tavan’andron’ny fiadidiana ny kaominin’Antananarivo renivohitra hatrany ny mikasika ny fako be nisavovona