raha ny fampitam-baovao voaray ny sabotsy teo, ny zoma 4 aogositra 2023. Teny an-dalana no nisy moto nanao taingin-droa nifanena taminy ka nanery ny lalany mba hahazo sisiny izy raha iny izy nanao fanadihadiana mombana raharaha ao Betsoahana, distrikan’i Mandoto iny. Raharahana ady tany moa no voalaza fa fototry ny fanadihadiana natao. Rehefa nahazo sisin-dalana dia nisy 5 lahy nipoitra avy any anaty bozaka nanambana hazo maranitra sy famaky. Nitaky vola sady nively azy. 200.000 Ariary latsaka no tany am-paosy ka izay no nomena ireo olon-dratsy. Rehefa tsikaritry ny olon-dratsy fa moto an'ny depiote Rakotorahalahy Modeste no nentin'i Martial dia nisy niteny izy ireo hoe "tena moto an'ny depiote io! mpanao gazety io fa ialao!", nahita ny karatra maha mpanao gazety tao anaty poketra na "portefeuille" nosavain'izy ireo. Taorian'izay no nisy nively kibay ihany izy ka torana. Rehefa nahatsiaro tena dia nandre ny finday naneno. Ny ben'ny tanàna ao Betsoahana no niantso. Nanontany ny toerana nisy azy. Teo no nilaza ny fahavoazana izy. Niantso ny CB Mandoto avy hatrany ny ben'ny tanàna ka niara-tonga namonjy azy ny zandary avy any Mandoto sy Betsoahana ary fiarabe mpividy entana no nitondra azy nihazo an'Ankazomiriotra. Rehefa tonga teo Ankazomiriotra izy dia ny fiara mpitondra marary avy amin'ny depiote no nitondra azy notsaboina ao amin'ny CRMM Hopitaly Atsimo Antsirabe. Tena tsara fandraisana aho hoy izy tato ary isaorako feno ny fandraisana an-tanana nataon'ireo tomponandraikitra sy ny olafitry ny mpanao gazety. Nisafidy ny hatao "plâtre" na nofehezina izy fa tsy nodidiana ary mitohy ny fitsaboana, hoy hatrany ny fampitam-baovao.
J. Mirija
Ataovy laharam-pahamehana, araho drafitra nasionaly ny sehatry ny lavanila, noho izany harem-pirenena, hoy ny antoko politika Malagasy Miara-miainga na MMM!
Ny 10 aogositra, herinandro katroka omaly no nilazan’ny Minisitry ny angovo sy ny akoran’afo Atoa Solo Andriamanampisoa fa tsy hisy intsony ny delestazy avy amin’ny fitsitsiana.
Loharanon’aretina ny loto, mety hitarika hatramin’ny fahafatesana.Marika ny tsy fanajana lalàna sy fitsipika ihany koa ny fanipazana sy fanariana fako etsy sy eroa.
Notorian’ny Lehiben’ny firaketan-draharahan’ny Fitsarana Rtoa Ellah Inham Herinatrehana sy ny mpitsara iray ho nanao fanalam-baraka,
Tafiditra tanteraka ao anatin’ny vanim-potoanan’ny fialan-tsasatra lehibe isika ankehitriny.
asa vonjy tavan’andron’ny fiadidiana ny kaominin’Antananarivo renivohitra hatrany ny mikasika ny fako be nisavovona